FIVONDRONAMBEN’NY MPIASA MALAGASY : “Nandika lalàna ny governemanta, melohina ny fampiasan-kery”

Nanao fanambarana miaraka omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana fa manoloana ny fampiasan-kery omban-kerisetra izay atao amin’ny vahoaka malagasy maneho hevitra dia melohin’izy ireo amin’ny heriny manontolo ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho lasa herim-pamoretana.

GROUPE « HERITSAINA ZJ » : Niteraka fahasoavana ny fahenoana ny sanganasany

Ny taona 2000 no nanomboka nanajary hira i Rakotoarisoa Heritsaina Andry, mpitarika ny Groupe « Heritsaina Zanak’i Jesosy ». Valibabena « Tamberim-bidy » ho an’Andriamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy maro narotsany sy ny mbola hatolony, hoy i Heritsaina no naharesy lahatra ahy tanteraka hampiasa manontolo ny talenta izay ananako eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira ary fitendrena zavamaneno ho amin’ny asa fitoriana sy fiderana