FANOHANANA IREO SEHATRASA MADINIKA : Amperinasa ny « Hardi finance »

Ny taona 2009 no efa nijoro ny « Hardi finance » orinasa malagasy zato isan-jato, misehatra amin’ny lafiny fampindramam-bola madinika sy fanolorana fiofanana amin’ny fomba fitantanam-bola mahomby sy ny tontolon’ny fandraharahana madinika amin’ny ankapobeny. Tsy manana mpamatsy vola manokana ny « Hardi finance » fa dia miezaka mihodina amin’ny eo am-pelantanany.

RDC : Mitarika ireo iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina hanara-maso ny fifidianana Filoham-pirenena any an-toerana ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina

Amin’ity anio ity no tanterahina ny fifidianana Filoham-pirenena any amin’ny « République Démocratique du Congo ». Any an-toerana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, mitarika ireo iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina hanara-maso sy hanao tombana mahakasika ny zotram-pifidianana.

VOKATRA « SESAME & BAOBAB » : Mahavelona sy be otrikaina

« Varimbarian’ny lavitra ny maro amin’ny Malagasy ka tsy mahita ny ambany maso ». Marina loatra io raha ny tontolon’ny fanjifana sakafo eto amintsika no dinihana. Sondriana loatra amin’ireo vokatra sakafo hafarana avy any Dilambato ny maro amintsika koa tsy mahatsiaro saina intsony fa manana karazan-tsakafo voajanahary vokatry ny tany eto Gasikara izay mitondra fahasalamana feno ny Malagasy.

GROUPE « YOUNG MESSENGER PRAISE » : Tanora mitory an-kira sy mifampitaiza

Ny taona 2019 no namoronan’Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra hira) ny groupe « Young Messenger Praise ». Tanora lahy sy vavy miisa manodidina ny 20 resy lahatra noho ny bitsika tsy hay tohaina ao anatin’izy ireo ny amin’ny ampiasana ny talenta ho amin’ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy no mandrafitra ny « Young Messenger Praise ».

Nodimandry Maman Perla tao amin’ny Hetsika Mai 72

Nodimandry ny talata 21 novambra 2023 i Zokibe Razafimpanja Perle. Mpitolona tamin’ny Mai 1972 teto Antananarivo. Efa mpianatra teny Ankatso izy tamin’izany. Nodimandry ny talata 21 novambra 2023 i Zokibe Razafimpanja Perle. Mpitolona tamin’ny Mai 1972 teto Antananarivo. Efa mpianatra teny Ankatso izy tamin’izany. Anisany nanangana ny Hetsika Mai 72 izy, izay namondrona ireo mpandray anjara tamin’ny Mai 1972. Vehivavy nafàna fo sy nandray andraikitra hatrany izy.