An-taonany maro no efa nisehatra tamin’ny asa fanamboarana milina fanjairana fampiasa eny anivon’ireo Orinasa afakabaka sy ireo fampiasa an-trano i Lahitody Robin, Rain’i Menjalia Lahitody. Ity farany, izay niasa teny anivon’ny orinasa afakaba misehatra amin’ny tontolon’ny zaitra ihany koa.
Catégorie : Samihafa
PASITERA R. FABIO ERIC MICHAËL : Ny « Fifanomezan-tanana no handresena ny fahantrana »
« Ndao hifanome tanana anatin’ny fifankatiavana lavitry ny lolom-po ary entanin’ny fitiavan-tanindrazana, hanasoa ny firenentsika, fa isika ihany no mijaly sy hahantra raha tsy handray ny anjara tokony ho vitantsika » Io no hafatra mafonja nampitain’ny Pasitera Randrianoelison Fabio Eric Michaël, izy izay filoha nanorina ny KF (Kristianina sy ny Firenena) izay Orinasa kristianina.
FESTIVAL FANORONA : Hotanterahana eny Ambohidratrimo
Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no hisy ny fanatanterahana hetsika goavana izay entina hamantarana bebe kokoa sy lalindalina kokoa ny tontolon’ny Fanorona malagasy. Ny 11 sy 12 febroary ho avy izao, etsy amin’ny tranom-pokonolona Ambohidratrimo no hanatanterahana izany anatin’ny Festival Fanorona andiany voalohany.
« FIARAHAN’NY MITOVY FANANAHANA » : Mijoro ho Reny mpiahy ny Fiangonana katolika
Tsy mazava loatra amin’ny maro ny antom-pisian’ny Fiangonana katolika sy ireo « Iraka » tanterahany eo anivon’ny fiarahamonina koa tsy nahagaga raha niteraka resabe sy mety nahatohana ny maro ny fanambarana farany nataon’ny Papa François ny amin’ny hoe : « fitsofan-dranon’ny fiarahan’ireo Olombelona mitovy fananahana ».
JACQUIS RANDRIA : Manohy ny mozika…
Ny taona 2010 no efa nikirakira ny mozika tamin’ny nidirany ho mpikambana tao anatin’ny Antoko mpihira iray tany Antsirabe i Jacquis Randria. Nitohy tamin’ny fiantsorohana ny feo lafika teny anivon’ireo mpanakanto efa fanta-daza izany. Ampahany amin’ireo vazo nahafantarana azy ny « Saino ihany », « Azafady », « Hiarina indray », « Hafa foana izy » sns…
« MANJAKA TOKANA » : Mpizara fahasoavana ho an’ireo Mpiara-belona
« Manjaka tokana » anarana azo avy amin’ny bitsiky ny Zanahary. Tsy iadian-kevitra lalina fa samy mandray izay hiheverany azy ny tsirairay ! « Manjaka tokana » mampiasa ny teny masina mitondra herim-panahy avy amin’ny Zanahary « Sorabe » mba hanasoavana ireo mpiara-belona tojo olana saro-bahana toy ny mifofotra mafy nefa tsy mahomby amin’ny fiainana, seha-pihariana isan-tsokajiny toa mihitsoka, olana ara-pitiavana, mitady zaza, aretina tsy manam-pahasitranana, ireo lasa adala noho ny fidiran’ny fanahy ratsy tao aminy, sns…
KENNY : Manandratra ny « karitaky »
Lahiniriko Bouba Marcelin, mitondra ny solonanarana hoe : « Kenny » ao an-tokotaniben’ny hira sy ny mozika. Ny taona 2013 no efa tazana teny an-tsehatra niantsoroka ny feo lafik’ireo mpanakanto fanta-daza maro ny tovolahy. Ny taona 2016 no nanapa-kevitra haneho ny kantony amin’izay i Kenny.
« LA ST’ART PROJECT » : Hamelatra ireo sehatrasany
Ny taona 2019 no nananganan-dRazafindralambo Tsilavina « Tsitsi » ny « La St’Art Project » Misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo…, ary misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana.
FANADIOVANA SY FANDRIAMPAHALEMANA IARIVO : Vonona hanome tanana ny CUA ny fikambanana « JMM »
Manana paikady mahomby hoentina manala ny fako sy mampandry fahalemana an’Antananarivo ao anatin’ny fotoana fohy ary ahafahana mamorona asa maharitra ho an’ny mponina maro, izahay avy ato amin’ny Association « Jeunes Malagasy Mahasaky », hoy Randriamparany Toky, filohan’ny fikambanana tsy manao politika izay misehatra amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona sahirana, niorina ny taona 2022.
MPANAKANTO NJARA MARCEL : Nahatontosa ny nofinofiny
Nandritra ny niatrehan’i Njara Marcel ny fifaninanana ara-java-kanto « Talenta sy kanto » fanaon’ny sekoly katolika ESCA etsy Antanimena, ary nahazoany ny laharana faharoa no teraka ny nofinofiny ny amin’ny tsy maintsy iseharan’i Njara Marcel irery eny an-tsehatra ao amin’ny CCESCA Antanimena indray andro any…
