« MANJAKA TOKANA » : Mpizara fahasoavana ho an’ireo Mpiara-belona

« Manjaka tokana » anarana azo avy amin’ny bitsiky ny Zanahary. Tsy iadian-kevitra lalina fa samy mandray izay hiheverany azy ny tsirairay ! « Manjaka tokana » mampiasa ny teny masina mitondra herim-panahy avy amin’ny Zanahary « Sorabe » mba hanasoavana ireo mpiara-belona tojo olana saro-bahana toy ny mifofotra mafy nefa tsy mahomby amin’ny fiainana, seha-pihariana isan-tsokajiny toa mihitsoka, olana ara-pitiavana, mitady zaza, aretina tsy manam-pahasitranana, ireo lasa adala noho ny fidiran’ny fanahy ratsy tao aminy, sns.

« Mpitsabo ny fiarahamonina », araka izany, ary azo ambara ihany koa fa mpizara fahasoavana ho an’ireo mpiara-belona aminy i « Manjaka tokana ». Ity farany izay mpikabary, mpandala ny fomba nentim-paharazana ihany koa ankoatry ny maha mpitsabo amin’ny alalan’ny « Sorabe » azy.

Ny hasin’ny teny sy ny heriny izay voarakitra anatin’ny « Sorabe » avy amin’ny Zanahary. Io no fitaovana fototra entin’i « Manjaka tokana » manatontosa ny asany. Tsy ny fitsaboana ihany no iseharany fa afaka manome fiarovan-tena amin’ny mety ho fisomparan’ny hafa eo amin’ny fiainana ihany koa i « Manjaka tokana » amin’ny alalan’ny fampiasana hatrany ny « Sorabe » izay avy amin’ny Zanahary. Maro ireo efa nigoka fahasoavana avy aminy.

Nomarihany manokana nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa tsy mampiasa ary tsy hampiasa ny « Sorabe » entina hisomparana na hanaovana ratsy ny hafa ho an’izay mety mila izany i « Manjaka tokana ». Mitandrina fatratra ny tsiambaratelon’ireo olona tonga ao aminy, etsy Ambohimamory, faran’ny Taxi-be 133 ihany koa ny lehilahy. Ny pejy face book « Tsiambaratelom-piainana » sy ny laharam-pinday 034 98 199 89. Ireo no fitaovam-pifandraisana ahafahana mitafa aminy.

Vous aimerez aussi