MPANAKANTO « DORIS » : Manandratra ny « Miantsa », milalao gadona maroloko

Koko Andrisoa Remora, no tena anarany, mpanakanto Zanaky  Farafangana ny tovolahy. Misalotra ny solon’anarana hoe : « Doris » anatin’ny habaky ny hira sy ny mozika ary ny dihy izy. Anisan’ny sanganasa voalohany nentiny nambabo ny fankafizan’ny maro ilay vazo « Baly jiromena » Tanora resy lahatra ho amin’ny fanandratana avo ny mozika nentim-paharazana malagasy toy ny «Miantsa » izay fanao amin’ny fetin’ny maty « Diagodra » any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy i Doris.

TONTOLON’NY LAMAODY : Manandratra ny « Vita malagasy » i Kelhie Bogasy

Razafihasimalala Kelhie, no anarany, andriambavilanitra malagasy manan-talenta notovanana fianarana ambony amin’ny fikirakirana ny lamba hanjary akanjo fianjaika mihaja sy kanto ary manaraka ny fenitra anatin’ny habaky ny lamaody. Misehatra amin’ny fanamboarana kiraro vita amin’ny hoditra sy akora fototra misy eto Madagasikara ihany koa ankehitriny ny « Bogasy ». Izy no Malagasy voalohany namokatra « Tennis » vita eto an-toerana.

GROUPE DE REFLEXION « TANORA LIAM-PIVOARANA » : « Fiaraha-mientana sy fanovana toe-tsaina no ahafahana miaro ny Tontolo iainana »

Tafatsangana soamantsara ankehitriny ny Groupe de réflexion « Tanora Liam-Pivoarana » na ny Vondron’ny Mpandinika « TLP » ivondronan’ireo Olom-pirenena mahatsiaro tena fa mila mandray andraikitra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena iombonana sy iadiana amin’ny fahalovana mikiky an’i Madagasikara misy ankehitriny isika.