Ny taona 2003 no nahita masoandro ny tarika « FAKR » (Fusion Alternative Kaiamba Rock) Mampiavaka ny tarika ilay feo manana tanjaka tsy miova hatramin’izao manaraka ny fenitry ny kanto sy ny tononkira mora raisina ary ny fandrindrana ny mozikan’izy ireo amin’ny fomba tsotra nefa tsy mety lefy laza…
Catégorie : Samihafa
Maka andraikitra i Randy Donny
Hita tao amin’ny Gazety iray mpiseho isan’andro (Gazetiko) ity lahasoratra ity, izay mampiseho ny fikasan’ny namana Randy haka toerana eny Tsimbazaza. Zava-dehibe eo amin’ny firenena ny fahasahiana maka andraikitra ny ho avin’i Madagasikara, ary heverinay eto amin’ny AMP fa tsara ho fantatry ny mponina ity kandidà ity.
FIANGONANA « JESOSY MPANAFAKA » : Hanolotra telo andron’ny fanafahana
Hanomboka ny tolakandron’ny Zoma 26 ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 28 aprily ho avy izao, etsy amin’ny, trano fivavahana Jesosy mpanafaka, By-pass Ankazobe, no hanatanterahan’ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu, avy ao amin’ny fiangonana « Jesosy mpanafaka » ny hetsika « Fanafahana ny fanahy sy ny nofo ».
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Nankalaza ny « Pesarh » sy ny « Omer reshyt »
Ny alin’ny sabotsy 13 aprily (mifanandrify amin’ny faha-14 ny volana Habib), tany Antsirabe, no nanamarika ny Pesarh « Paska » ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana « Hebreo notsrym », tarihan’i Shalar Andriamady Rija. Nomarihan’ity farany fa ny Paska hebreo dia fahatsiarovana ny nanafahana ny zanak’Israely teo ambany fanandevozan’i Farao, tany Ejypta ary fahatsiarovana ny nahafatesan’i Yeshoah.
ANTSAHAKELY-BESARETY : Fako, Fako !
Tsy misy fiovana hatreto ny fahadiovana ao Antsahakely-Besarety, fa mivangogo eraky ny tanàna ihany ny fako na voalaza aza fa niova ny fitondrana ao amin’ny Kaominina. Mijaly ny mponina, fa ny miparitaka amin’ny tatatra ny fako amin’ny daba etsy amin’ny arabe, dia tsentsina tanteraka.
COLLECTIF TANY : Mba ho fitsarana ara-drariny no hatao ho an’i Nathassa Razafiarisoa sy ireo tanora ao Sambava nogadraina taorian’ny ady tany
Ao anatin’ny toe-draharaha izay mihamitombo hatrany ny fandrobana tany nefa tsy mamaly amin’ny fomba mahomby ny zo sy ny filan’ny mponina maika ny fitadiavana vahaolana ara-dalàna, dia nanamarika ireo mpiara-manasonia ity fanambarana an-gazety ity fa ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny tany Malagasy, kosa, dia miha iharan’ny famaliana ny hetsika ataony amin’ny alalan’ny tsindry hazo lena.
« ANTOKO TIM » AMBOHIMANGAKELY : Vonona hampandresy ny Kandidàn’ny Firaisankina Avaradrano
Tontosa ny fiandohan’ny herinandro dila teo iny, tetsy amin’ny Villa privée Ambohimangakely ny fihaonana narahana dinidinika sy tapatapak’ahitra nataon’ny ekipa avy amin’ny Vondron’ny firaisankina sy ny mpitarika ary ireo mpikambana mavitrika eo anivon’ny Antoko Tiako i Madagasikara ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely.
ANTOKO MPIHIRA « FEON’NY FIFOHAZANA AMBOHITSABO » : Mitory amin’ny gadona sy dihy nentim-paharazana
Ny volana may 2013 no tafajoro ny Antoko mpihira « Feon’ny Fifohazana Ambohitsabo » any Toliary. Manodidina ny efapolo ireo mpikambana eo anivon’ny « FFA ». Tanora avokoa ny salan-taonan’ireo lehilahy sy andriambavilanitra mandrafitra azy.
IVON’NY FANKALAZANA « ALAHAMADIBE 2024 » : Hiara-dalana amin’ny fitokanana ny Lapan’Andriamanandroanio
Ny Talata 09 hatramin’ny Alakamisy 11 aprily ho avy izao no hanamarihana ny fankalazana ny Alahamadibe 2024. Hotanterahana eny amin’ny Doany Mananara Ambatoafahavalo, Antananarivo Atsimondrano. Ny Vondron’ny Mpandala ny Alahamadibe no mikarakara azy ity. Ivon’ny fankalazana « Alahamadibe 2024 » no natao anarany mba hahafahana mampivondrona ireo mitovy fomba fijery manodidina ny Alahamadibe amin’ny toerana iray, hoy ireo mpanomana ny hetsika.
IVON’NY FANKALAZANA « ALAHAMADIBE 2024 » : Homarihana eny Mananara Ambatofahavalo
Ny 09 Aprily hatramin’ny 11 Aprily no hanatanterahana ny Ivon’ny fankalazana ny Alahamadibe 2024, eny amin’ny Doany Mananara Ambatofahavalo Dadabe Andriamanandroanio. Ity farany izay tsy iza fa mpanandron’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina « Imboasalama ».
