TARIKA « FAKR » : « Avy am’zay ! » ry Zalahy

Ny taona 2003 no nahita masoandro ny tarika « FAKR » (Fusion Alternative Kaiamba Rock) Mampiavaka ny tarika ilay feo manana tanjaka tsy miova hatramin’izao manaraka ny fenitry ny kanto sy ny tononkira mora raisina ary ny fandrindrana ny mozikan’izy ireo amin’ny fomba tsotra nefa tsy mety lefy laza. Vokany, tsy manavaka sokajin-taona ny fankafizana ny taokanton’ny tarika FAKR mandraka ankehitriny. Heno misongadina anatin’ny vazon-dry zalahy FAKR ihany koa ilay fomba fitendry zavamaneno mirindra azo avy amin’ny asa fikarohana tsy ankiato ataon’izy ireo.

Ela niandrasana ny mpankafy, hoy i Mirija, lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny FAKR amin’ny fiverenana an-tsehatra sy ny ho tohin’ny tantaran’ny FAKR. Tanteraka izany ankehitriny, ny zoma 10 may ho avy izao, hanomboka amin’ny fito ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Santilo Anosizato Andrefana no hiaka-tsehatra, amin’ny endrika «Cabaret » hisalotra ny anarana hoe : « Avy am’zay ! » ny tarika FAKR amin’ny endriny feno. Nomarihan’i Mirija fa ankoatry ny fivazoana ireo tsanganasan’izy ireo efa tsy afaka am-bavan’ny maro tahaka ny « Rakrisy », « Bavy tsy foy », « Kôzy milay » miampy ny fitondrana an-tsehatra ireo hira vao noketrehana toy ny « Vazo mitaraina », « Tsiahy », sns dia hindrana ny vazon’ireo mpanakanto Malagasy sy Vahiny ihany koa izy ireo ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy. Fiverenana an-tsehatra santarina amin’ny « Avy am’zay » midika fa manohy ary hanohy hatrany ny fikirakirana ny taranja mozika ny FAKR, hoy, i Mirija. Nanome toky matevina ireo mpankafy rahateo ity farany fa mbola vonona ny hisakelika ny meva ary hizara ny kanto hatrany ny tarika. Andalam-piketrehana ny famokarana ny rakitsary sy feo andiany fahatelo (Album 03) ankehitriny ny tarika FAKR.

Vous aimerez aussi