Hita tao amin’ny Gazety iray mpiseho isan’andro (Gazetiko) ity lahasoratra ity, izay mampiseho ny fikasan’ny namana Randy haka toerana eny Tsimbazaza. Zava-dehibe eo amin’ny firenena ny fahasahiana maka andraikitra ny ho avin’i Madagasikara, ary heverinay eto amin’ny AMP fa tsara ho fantatry ny mponina ity kandidà ity. Randy Donny moa dia tsy zohina intsony eo amin’ny sehatry ny mpanao gazety malagasy, ary mamporisika azy izahay ho tanteraka ny faniriany.


