Hanomboka ny tolakandron’ny Zoma 26 ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 28 aprily ho avy izao, etsy amin’ny, trano fivavahana Jesosy mpanafaka, By-pass Ankazobe, no hanatanterahan’ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu, avy ao amin’ny fiangonana « Jesosy mpanafaka » ny hetsika « Fanafahana ny fanahy sy ny nofo ».
Tanjona amin’ny fanatanterahana azy ity, hoy ny Pasitera Andrianaivonirina Jean de Dieu ny hitondrana ny Olombelona tsy ankanavaka hiala amin’ny fampahoriana amin’ny endrika marolafy ataon’ny Satana sy ny hahatonga ny Krsitianina hanana fahamasinam-piainana bebe kokoa hatrany mba ho tena Kristianina miaina ny fianan’Andriamanitra. Ireo mitonona ho « Kristianina » tokoa mantsy dia tokony hiaina, araka izay, voalazan’ny tenin’Andriamanitra ao anatin’ny baiboly. Handrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny teloandro, ny rindran-kira ara-pilazantsara iarahana amin’ireo zanaky ny fiangonana, ny fitorian-teny iarahana amin’ny mpanompon’Andriamanitra Randrianaivonirina Jean de Dieu ary ny vavaka fanafahana arahin’ny fijoroana vavolombelona (fiovam-po sy toetra, fanasitranana, sns) Hisy ny fitondrana am-bavaka manokana ho an’ireo marary.
Ho an’ny fiangonana « Jesosy mpanafaka » dia tsotra ny raikipohy ireo Olombelona voavonjy no afaka. « Iraka » goavana iantsorahan’ity fiangonana ity, araka izany, ny hanafaka ny Olombelona rehetra amin’ny gejan’ny asan’ny Satana eo amin’ny ara-panahy, saina, vatana mba hahafahan’ny rehetra mandova ny fiainana mandrakizay. Raha tsiahivina, tany amin’ny faritry Sava no nanombohan’ny fiangonana « Jesosy mpanafaka » nanatanterahany ny adidy masina iantsorohany ary ankehitriny efa saika mipariaka manerana ny Nosy ity fiangonana efa manana sekoly fandalinana ny baiboly sy famolavolana ho mpanompon’Andriamanitra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny fomba fiasa miainga amin’ny teny ieran’ny rehetra ary ny fampiharana ny fitantanana mangaraharaha no tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny fiangonana « Jesosy mpanafaka » amin’ny fanatanterahana ny adidy masina sy goavana iantsorahan’ireo mpitantana sy ireo mpino eo anivony. Mila iainana isanandro vaky ary ampiharina eny anivom-piaraha-monina ny tenin’Andriamanitra, hoy ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu raha te ho voavonjy ary higoka ny fahafahana izy antoka hahazoana ny lanitra isika mianakavy.


