Hafa kely ! Any Fianarantsoa no monina sy mitady ravinahitra i Randrianarison Mamison Elysé. Tsy io anarana voasoratra anatin’ny karapanondrom-pirenena io intsony no ahafantaran’ny mponin’ny Fianarantsoa ny lehilahy fa i « CB ». Azo avy amin’ny fanafohezana ny hoe : « Cache bouche ».
Catégorie : Samihafa
Fety teny Antsahakely
Nihevitra ny rehetra fa hisy hanao fampielezan-kevitra goavana eto Antsahakely-Besarety. Nivory ny vahoaka io hariva io, kanjo fetin’ny fiangonana pentekotista teto an-toerana.
HOPITALY BEFELATANANA : Andoavam-bola hatramin’ny manary maloto
Tsy mbola nisy tao anatin’ny enimpolo taona ! Tanteraka ara-bakiteny tokoa io raha ny zavamisy iainan’ireo marary sy ny mpikarakara azy ireo ao amin’ny hopitaly Befelatanana no asiana resaka. Noho ny fahasimban’ny ankamaroan’ireo toeram-pivoahana sy ny olan’ny famatsiana rano ao amin’ity toeram-pitsaboana ity tokoa mantsy dia voatery midina eny amin’ny toeram-pivoahana manakaiky ny toeram-piantsonan’ireo fiara ao amin’ny hopitaly Befelatanana ireo manana marary.
POLITIKA : Hetsika Mai 72 – 13 Mai 2024
Ny HETSIKA MAI 72 dia Fikambanana niorina ara-panjakana tamin’ny Juillet 1994. Efa 30 taona izany izay no nametrahanay voninkazo teto amin’ny Kanja 13 Mai ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy 109 teto, tamin’ny 13 Mai 1972 ary ho fametrahana fa tsy mbola tratra ny tanjon’ny Tolona natao tamin’izany.
« CELIBAT EVENTS » : Sambany hisy eto amintsika !
« Celibat events » Io no anarana nasalotry ny mpikarakara « Alone » ilay takariva maha tsara vahiny sy mahamanina ho ambohipihaonan’ireo mitady silam-panahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely, no hanatanterahana, azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 may, hanomboka amin’ny, dimy ora hariva.
« FANAFAHANA NY FANAHY SY NY NOFO » : Nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra
Ny 26 hatramin’ny 28 aprily lasa teo no nanatanterahana, tetsy amin’ny foiben’ny Fiangonana Jesosy mpanafaka By-pass Ankazobe ny hetsika « fanafahana ny fanahy sy ny nofo » Fandaharam-potoana nisian’ny hira fiderana, toriteny ary fijoroana vavolombelona sy fanasitranana, niarahana tamin’ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu.
TANORA DISTRIKAN’AVARADRANO : Manainga ny Tanora handeha hifidy sy hiaro ny safidiny
Fihaonana faharoa teo amin’ny Kandida ho depioten’ny Vovonana Firaisankina tarihan’ny Avotraina Andriamosa sy ireo tanora ao amin’ny distrikan’Avaradrano ary ireo mpikambana mavitrika eo anivon’ny, antoko Tiako i Madagasikara, eny Ambohimangakely no notanterahana ny 01 may lasa teo.
FIVAVAHANA « HEBREO NOTSRYM » : Mamolavola ho Olom-banona
Vatana, saina ary fanahy no mandrafitra ny atao hoe : « Olombelona ». Ny fikoloana azy ireo mitambatra no antoky ny maha « Olom-banona ». Io no antom-pisian’ny fivavahana « Hebreo notsrym », hoy i Shalar Andriamady Rija.
MPANAKANTO : Nodimandry i Lalie
Nidaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-48 taonany i Lalie. Tsy zohina amin’ny rehetra ny kanto nasehony teo amin’ny sehatry ny hira, ary tena nalaza ary nanana ny maha-izy azy.
BORIBORITANY FAHA III : Miandry an’i Bodo
Nandalo teny Antsahakely-Besarety i Bodo omaly atoandro nitafa tamin’ny mponina teny. Ny filatsahany ho solombavambahoaka moa no diany teny ary tsapany ny fahoriam-bahoaka.
