TANORA DISTRIKAN’AVARADRANO : Manainga ny Tanora handeha hifidy sy hiaro ny safidiny

Fihaonana faharoa teo amin’ny Kandida ho depioten’ny Vovonana Firaisankina tarihan’ny Avotraina Andriamosa sy ireo tanora ao amin’ny distrikan’Avaradrano ary ireo mpikambana mavitrika eo anivon’ny, antoko Tiako i Madagasikara, eny Ambohimangakely no notanterahana ny 01 may lasa teo. Nisongadina tamin’izany ny antso avo nataon’ireo tanora ho an’ireo namany ny amin’ny tsy maintsy handehanana hifidy sy hahay hisafidy ireo kandidà izay hita fa vonona hanatanteraka ny hetahetan’izy ireo ho amin’ny fahatsaram-painana amin’ny ankapobeny.

Nanainga sy nanentana ny tanora ao avaradrano ihany koa ny solontenan’izy ireo mba hiaro ny safidy atao amin’ny 29 may amin’ny alalan’ny fanahara-maso akaiky ny zotram-pifidianana rehetra. Nanamafy ihany koa ny fanohanan’izy ireo ny Kandidà mitondra ny laharana fahatelo, avy amin’ny vovonana Firaisankina hatrany ireo tanora avy ao amin’ny distrikan’Avaradrano.

Nanamarika ny kandià ho depiote avy amin’ny vovonana Firaisankina tarihan’i Avotraina Andriamosa fa manana anjara biriky lehibe ho amin’ny fanovana ny tantaran’i Madagasikara ireo Tanora noho izy ireo maro anisa. Tsy tokony hisalasala intsony ianareo tanora amin’ny fandraisana andraikitra takian’ny firenena aminareo, hoy izy, toy ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka, hotanterahana, ny 29 may ho avy izao. Nanamafy hatrany ihany koa ny lehilahy fa tsy hamitaka ireo tanora ary nampanantena hatrany fa hijery manokana ny tombontsoan’ireo tanora izy mandritra ny taom-piasany eny Tsimbazaza raha toa ka lany soa aman-tsara. Ilaina, araka izany, ny fahamailoana sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny Malagasy tsy ankanavaka amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka. Iaraha-mahalala tokoa mantsy fa misy ny fividianana ny safidin’ny Malagasy amin’ny endriny marolafy amin’izao fotoana izao ataon’ireo tsy maty voalavo an-kibo sy zatra ny lalan-dririnina. Alao hery àry ry Malagasy ! Sahia manova.

Vous aimerez aussi