POLITIKA : Hetsika Mai 72 – 13 Mai 2024

Ny HETSIKA MAI 72 dia Fikambanana niorina ara-panjakana tamin’ny Juillet 1994. Efa 30 taona izany izay no nametrahanay voninkazo teto amin’ny Kanja 13 Mai ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy 109 teto, tamin’ny 13 Mai 1972 ary ho fametrahana fa tsy mbola tratra ny tanjon’ny Tolona natao tamin’izany.

Hetsibahoaka ny tamin’ny 13 Mai 1972. Hetahetam-bahoaka sy tombotsoam-bahoaka no nitolomana. Manerana an’i Madagasikara ny hetsika. Nanomboka tamin’ny mpianatra ary nihitatra tamin’ny sehatra rehetra.

Notoherina ny Fampianarana izay tsy mifanitsy tamin’ny zavamisy teto Madagasikara. Sekoly miangatra, Sekoly sivana, izay niteraka tsy fitoviana teo amin’ny zaza MaIagasy. Notakiana ny fanafoanana ny Dinam-panandevozana nataon’ny Frantsay. Vola sy toekarena voageja sy voaroba, tany lonaka nobodoina, fitantanana firenena nofehezina, kolotsaina nopotehina, tafi-bahiny namoritra…

Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao no nataon’ny Frantsay teto.

Hetsibahoaka nitaky ny Fahaleovatena, ny Fanagasiana, ny Famahoahana ary ny Fitsinjaram-pahefàna. Fitakiana madio sy fitadiavana tombotsoa ho an’ny besinimaro no natao.

Amin’izao fotoana izao :

  • Tsy tanteraka ny FANAGASIANA. Mbola mibahana ny VAHINY, indrindra ny FRANTSAY amin’ny lafimpiainana rehetra. MALAGASY MIANKINDOHA amin’ny VAHINY no mitantana ny fírenena. Ny TENY sy KOLOTSAINA MALAGASY dia tsy manana ny toerana mendrika azy. PROGRAMAM-PAMPIANARANA FRANTSAY no mbola ampiharina eto.
  • Tsy tanteraka ny FAMAHOANA satria mbola OLOMBITSY no migoka ny tombotsoa fa mahantra ny 90% ny MALAGASY. Mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny Mpanana sy ny Mahantra. Mbola SEKOLY MIANGATRA no misy.
  • Tsy tanteraka ny FITSINJARAM-PAHEFANA satria mbola mivangongo eto an-dRenivohitra sy an-tanandehibe ny FAHEFANA. MAHANTRA ny any IFOTONY.
  • Tsy misy FIANDRIANAM-PIRENENA. Ny VAHINY no mibahana ny fandraharana ara-toekarena sy ara-bola ka migoka ny harem-pirenena. BOKAN’NY TROSA ny firenena. Tsy mbola azo ireo NOSY MALAGASY.

Tolona masina no natao teto. Tsy mbola tratra ny tanjona amin’izao fotoana izao. Izay no mbola mampijoro anay hatrany.

 

HETSIKA MAI 72

Vous aimerez aussi