FAMPIATOANA NY FANOMEZANA TANY HO AN’NY OLOMPIRENENA MALAGASY : Nanao fanambarana ny fikambanan’ny Tantsaha

Manoloana ny fanapaha-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra hampiato ny fanomezana tany ho an’ny olompirenena malagasy avy ao amin’ny tanim-panjakàna tamin’ny 31 janoary 2024 sy ny firosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny tanim-panjakàna azo amidy, dia nanao fanambaràna tamin’ny haino aman-jery ny fikambanan’ny Tantsaha ao amin’ny Komitim-pirenena ho an’ny Famokarana tantanam-pianakaviana tamin’ny 31 mey 2024.

FIANGONANA HEBREO NOTSRYM : Hankalaza ny « Shavouot »

Ny alahady 02 jona hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora maraina no hankalaza ny « Shavouot » na ny fetin’ny Pentenkosta ireo eo anivon’ny fiangonana Hebreo notsrym, tarihan’ny Shalar Andriamady Rija, izay manana ny foibeny, etsy Ankasina. Ny Levitikosy toko faha-23  andininy faha- 15 no fototra ijoroan’ny fomba nentina namariatana fa ny 02 jona ho andro entina hanamarihana ny « Shavouot ».

FIRAISANKINA AMBOHIMANGAKELY : Manentana ny mponina andeha hifidy, nirindra ny fampielezan-kevitra

Tamin’ny ankapobeny tontosa tamin’ny andavany sy antsakany ny fampilezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ho Solombavambahoaka ho an’ny Vovonana Firaisankina, ao Ambohimangakely. Nomarihan’ny filohan’ny Com TIM eny an-toerana Razanakoto Hajasoa Pascal « Haja boum » fa voatety avokoa ireo fokontany miisa valo ambiny folo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely.