Laharaham-pahamehana ho an’ny Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana Razafindrabary Richard ny famatsiana rano fisotro madio an’Ambatofinandrahana. Anatin’ny telovolana raha ela indrindra, hoy ny lehilahy dia efa hisitraka rano ny mponina any an-toerana amin’ny alalan’ireo « borne fontaine » Iaraha-mahalala ihany koa fa tsy ho ela dia hiverina an-tsekoly ireo zaza malagasy. Ho fiatrehana izany indrindra dia hisy ny asa fanavaozana, fanamboarana ary fampitaovana ireo Sekoly any an-toerana. Tafiditra anatin’izany ny fanolorana dabilio, fanavaozana ny efitrano fianarana, sns…
Catégorie : Samihafa
FESTIVAL « VOASARY » : Ho fanoitran’ny fampandrosoana, hanamafy ny fihavanana
Ny 02 hatramin’ny 04 aogositra ho avy izao, no hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny Festival « Voasary », ao amin’ny Kaominina Antsatramidola andoharano, izay azo ambara ho renivohitr’ireo dimy kaominina antsoina hoe : « Dimy kaominina loharano mangarahara » ahitana ny kaominin’ny Ambarikaika, Ambilombe, Ankiakabe fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, faritra Sofia.
SAMOËLA : Hivazo etsy Ambohimangakely
Vazo Samoëla zato isan-jato no handrakotra ny efitrano malalaky ny Madagascar Espace By-pass Ambohimangalely, ny alin’ny Zoma 26 jolay ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora alina.
AMBATOFINANDRAHANA : Roso amin’ireo asa fampandrosoana
Tao anatin’ny taona maro, azo ambara ho lavitry ny fandrosoana ny Distrikan’Ambatofinandrahana. Tsy maintsy hirosoana maika manomboka izao ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana mamaly ny filan’ny mponina any an-toerana, hoy ny Solombavambahoaka Razafindrabary Richard. Nisongadina izany, tamin’ny fihaonana voalohany narahana asa avy hatrany nataony, tamin’ireo Vahoaka, tao amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana, ny faran’ny herinandro teo.
STEPHANT NANGAYO : Mpanakanto « Mpamorona fa tsy Mpamerina »
Teo amin’ny faha-14 taonany no efa niondana mozika sy nankafy ny lafiny fandihizana i Stephant Nangayo, mpanakanto vao erotrerony, Zanaky Mandritsara. Nisongadina tany Mandritsara teo amin’ny lafiny fiangaliana ny mozika « rap » ny tovolahy. Rehefa nigadona ny taona 2002 no tapa-kevitra ny hamelatra ny filalaovana ny mozika mihetsika « Mozika tropikaly » i Stephant Nangayo.
FIKAMBANANA « MPANANGANA NY EFA RAVA ELA » : « Olana ara-panahy no misy eto »
Fahitana « révélation » tao amin’ny Mevasher Andrianandrasana Jean Fidèle, tany amin’ny manodidina ny taona 2007, izay nanafatra azy ny tsy maintsy hanambarana ny fahamarinana takian’ny baiboly « Tanakh » amin’ny Malagasy rehetra no antom-pisian’ny fikambanana « Mpanangana ny efa rava ela ». Ny volana Desambra 2018 no nijoro ara-panjakana ny fikambanana. Anarana notsoahina avy ao amin’ny (Isaia 58-12).
DEPIOTE RAZAFINDRABARY RICHARD : « Miara-dalana ny fanaovana tolo-dalana sy ny asa fampandrosoana »
Ankoatry ny maha mpamolavola tolo-dalana ireo Solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia manana andraikitra ho amin’ny fanomezan-tanana amin’ny fanamorana ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana marolafy iaraha-misalahy amin’ireo rantsa-mangaika eny ifotony toy ny eo anivon’ny fokontany, kaominina, distrika ary ny faritra ihany koa ny Solombavambahoaka, hoy Razafindrabary Richard, Solombavambahoaka any Ambatofinandrahana.
SHALAR ANDRIAMADY RIJA : « Mitaky fanovana toe-tsaina ny fialana amin’ny fahantrana »
64 taona « notolorana » ny fahaleovantenany ny Malagasy, fa mbola anaty fahantrana lalina mandraka ankehitriny ny ankamaroany. Tsapa ihany koa fa miseho lany ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao. Tsy mbola tena mahaleo tena i Madagasikara, fa fahaleovantena sarintsariny no misy eto. Vokany, tsy mitsaha-mijotso ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Lavitra ny Malagasy, araka izany, ilay fampandrosoana dradraina isan’andro vaky.
TARIKA « RY VOAHARY » : Mivoy ny « bagasy an-kabôsy »
Tany amin’ny taona 1977 no efa nikaroka sy nandalina ny tontolo sy ny tantaran’ny bagasy ny tarika Ry Voahary. Anisan’ny mampiavaka ny bagasy iangalian’ity tarika ity ny fanomezana laka ny kabôsy anatin’ireo tsanganasany. Ny kabôsy no mitarika ireo zavamaneno hafa toy ny gitara, vatamaroafitsoka, aponga maroanaka, sns mandritra ny filalaovana ireo hira. Hahenoana ilay folaka bagasy an-kabôsy avokoa ireo vazon’ny tarika.
KAOMININA ARIVONIMAMO : Manome lanja ny asa fanabeazana…
Mpianatra nahazo ny salan’isa enina ambiny folo hatramin’ny valo ambinifolo amin’ny roampolo tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary ny Bakalorea izay nahazo ny mentions « très bien » sy « bien », natao tamin’ny taom-pianarana 2023 lasa teo iny, miisa telo ambiny telopolo, no notoloran’ny Kaominina Arivonimamo, tamin’ny alalan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Manoa Vincent de Paul, fanomezana toy ny cahiers, penina, tablette, sns…
