Nodimandry i Rachidy

“Tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesako fa nandao antsika io maraina io Rachidy Mohamed.
Mpiara-miasa akaiky tamiko ary tena nahatoky tamin’ny andraikitra nankinina taminy, ary namana ihany koa izy.” Hery Rajaonarimampianina

FESTIVAL « VOASARY » : Hisokatra ny zoma izao, tomombana ny fikarakarana

Amin’ny ankapobeny, efa tomombana avokoa ireo fikarakarana ny fandraisana ny « Festival Voasary »  andiany voalohany izay hanomboka ny 02 hatramin’ny 04 aogositra ho avy izao, any amin’ny Kaominina Antsatramidola andoharano, izay azo ambara ho renivohitr’ireo dimy kaominina antsoina hoe : « Dimy kaominina loharano mangarahara » ahitana ny kaominin’ny Ambarikaika, Ambilombe, Ankiakabe fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, faritra Sofia.

FAMOKARANA MENAKA : Amperinasa ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe »

Tamin’ity taona 2024 ity no niorina ny orinasa mpamokatra menaka vita avy amin’ny voanjo sy soja, any Anjozorobe. Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana fametrahana ireo taniketsa ara-indostrialy « Odof » izay mifototra amin’ny hoe : « Distrika iray manana indostria iray », ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe » Ny 04 aprily lasa teo no nanomboka nihodina ny orinasa ary namokatra ny « Menaka voanjo » sy « Menaka soja » an’Anjozorobe.

FOARABE AN’ALAOTRA : Hamafisinina ny fitandroana ny filaminana

Nandray ny hetsika foarabe an’Alaotra ny Distrikan’Ambatondrazaka nanomboka ny 24 jolay lasa teo, izay tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 27 jolay. Ny Trait d-Union Madagascar, izay orinasa mpikarakara hetsika ara-kolotsaina sy toe-karena irasam-pirenena izay tsy zoviana amin’ny maro intsony, no mikarakara ity foarabe an’Alaotra ity izay eo ambany fiahian’ny Ministera mpiahy, ny tomponandraiki-panjakana any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka Renivohitra.

Nolazaina tamin’ny tanora sy ny olompirenena rehetra ve ny marina rehetra mahakasika ny fifampiraharahana vita tato ato sy mbola mizotra momba ny tetikasa Base Toliara ?

Niverina nihamaro tao anatin’ny iray volana ny lahatsoratra tao amin’ny gazety malagasy maneho fitakiana ny fitsaharan’ny fampiatoana ny asan’ny tetik’asa Base Toliara. Rehefa mamaky am-pitandremana azy ireo anefa dia mahita fa tena ilaina ny fanazavana fanampiny.