Ny 02 hatramin’ny 04 aogositra ho avy izao, no hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny Festival « Voasary », ao amin’ny Kaominina Antsatramidola Andoharano, izay azo ambara ho renivohitr’ireo dimy kaominina antsoina hoe : « Dimy kaominina loharano mangarahara » ahitana ny kaominin’ny Ambarikaika, Ambilombe, Ankiakabe fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, faritra Sofia.
Tanjona anatin’ny fanatanterahana ny Festival voasary, hoy i Lehilahy Magneva Patron, mpiketrika azy ity ny ahafahana mampahafantatra amin’ireo mpandraharaha sy ny tompon’andraikim-panjakana miahy ny lafiny fambolena ary ireo rehetra tsara sitra-po vonona hampandroso ara-toe-karena fa « tanànan’ny voankazo tsara kalitao » azo ahodina ho ranom-boankazo ara-pahasalamana sy ahafahana mametraka rafitra fiharian-karena goavana mitarika ho amin’ny famoronana asa maro any an-toerana, ireo « dimy kaominina loharano mangarahara » ao amin’ny faritra Sofia, distrikan’ny Mandritsara noho ireo vokatra marobe ananany . Ankoatry ny voasary izay misy karazany maro toy ny vangirano sy ny vangitsotso, voasary makirana, sns, tokoa mantsy dia ahitana ny goavy, ampalibe, zavokà, letisia, manga hatramin’ny voly vary, jirofo, voanjo ihany koa ao anatin’ny « Dimy kaominina loharano mangarahara » Mahatratra hatrany amin’ny dimy taonina isan’andro ny vokatra voasary any an-toerana. Inoana fa hitera-bokatsoa ho amin’ny fanatsarana ny kalitao sy ny fampitomboana hatrany ny vokatra voasary any an-toerana mba ho loharanom-bola maharitra ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao.
Ambohipihaonana ho amin’ny fanamafisana orina ny firaisankina, ny fihavanana eo amin’ireo mponina sy ahafahana mitondra fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ny paikady mahomby ho fampandrosoana ireo kaominina any an-toerana ihany koa ny Festival « Voasary ». Anisan’ny hanafana ny sehatra anatin’ny «Festival « voasary » ny mpanakanto Kakabe Djino, Red soukouss, Doscar, Leroky, Vaiavy Chila ary i Zandry kaja. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra, araka izany, no hotovozina, anatin’ny « Festival voasary » andiany voalohany, any amin’ny kaominina Antsatramidola andoharano, ity.


