ANTOKO HASIN’NY OLOMBELONA SY EKOLOJIA : Fanambarana manontany ny hery velona eto Madagasikara

Maro ny miraviravy tanana manoloana ny manjoa ny mpiray monina. Miafina ao ambadikin’ny filazana sy ny fiheverana diso fa tsy manao « pôlitika » ireo sahy mitazana fotsiny ny manjoa ny mpiray monina.

Fotoana filazana mazava ny tena ao an-tsain’ny tsirairay izao ary pôlitika izany. Kihon-dalana lehibe loatra izao hanapahana ny hoavin’ny mpiray monina.

Indro ary ny fanontaniana :

–              Manaiky ny firotsahana vahiny ho filoham-pirenena malagasy ve ny : FFKM ? ny fiarahamonimpirenena ? ny mpitandro filaminana amin’ny maha-olompirenena azy ? ny mpitsara amin’ny maha-olompirenena azy ?

Efa mazava anaty Vina nosoratana tamin’ny 2013 moa ny hevitry ny antoko.

Ankoatra izay, gadra pôlitika ve Rina Andriamasinoro, sekretera jeneraly ny antoko TIM? Mahamenatra izany raha gadra pôlitika izy.

Maro loatra ny FANAMBARANA tsy mazava sy lava loatra tato ho ato ka fohy ity an’ny Antoko Hasin’ny olombelona sy Ekolojia ity.

Vous aimerez aussi