AMBOSITRA – AMORON’I MANIA : Maro ireo fotodrafitr’asa simba sy fiangonana ary trano rava

Anisan’ny namela takaitra tao amin’ny Distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ilay rivodoza mahery vaika Freddy, izay nandalo tao amin’ny faritra ny talata alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any.

Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nifofofofo mafy ny rivotra tao amin’ny Distrika ary narahina orana tsy niato izany. Nisy ny takaitra navelan’ity rivodoza mahery vaika ity ary mafimafy ny fahavoazana tao amin’ny Distrikan’Ambositra, vokatry ny rivotra mafy nentin’ilay rivodoza mahery vaika Freddy. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny tranon’olona tsotra, izay niongotra ny tafo, nianjera ny tamboho, trano rava, vokatry ny tafiotra mafy nentin’ilay rivodoza. Teo ihany koa ny fiara sprinter izay nianjeran’ny tranon’olon-tsotra sy tamboho. Teo ny tetezana tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano. Araka ny fantatra, dia niongotra ihany koa ny tafon-tranon’ny fiangonana lehibe iray tao Ambositra, ny tafon’ny sekoly EPP, ka efitrano 6 no niongotra ny tafo ary dia mitafo lanitra ny sekoly sy ny fiangonana. Hatramin’ny fotoana nanoratana ihany koa dia tapaka tanteraka ny jiro ao an-tampon-tanànan’Ambositra ary efa eo am-panarenana azy ireo ny tompon’andraikitra any an-toerana.

Fokontany maromaro ihany koa no dibon-drano ny trano sy ny voly ary ny tanimbary. Manoloana izany, dia tsy nitazam-potsiny ireo manampahefana any an-toerana, fa nitondra izay voatsirambin’ny tanana tamin’ireo olona traboina ireo. Namela takaitra nandritry ny fandalovan’ny Freddy tao amin’ny faritra Amoron’i Mania ary efa eo am-panarenana ny simba ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Vous aimerez aussi