Rahampitso sabotsy 10 sy ny alahady 11 desambra no hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Centre la bonté Madagascar ny « Journée récréative » eny amin’ny foiben-toeran’izy ireo, eny Andraisoro (Faran’ny fiantsonan’ny zotra 141).
Raha tsiahivina ivon-toerana iray naorin’ny Dokotera Ramanandrafaliarisoa Florienne, izay misahana ny fiahiana ireo zokiolona ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy ny Centre « La bonté Madagascar ». Natao ny « Journée récréative », hoy izy mba ahafahana mampahafantatra bebe kokoa ny sehatrasan’ny Centre la bonté Madagascar ary koa hitadiavana mpiara-miasa tsara sitrapo afaka manabe voho sy mampiroborobo ny asa goavana sy masina iantsorohan’ny foibe. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny asaramanitra izao ihany koa dia mendrika hitsena am-pifaliana sy anatin’ny haravoana toa ny olon-drehetra ireo zokiolona. Ireto farany izay tsikaritra fa lasa an-jorom-bala ihany eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny ankehitriny.
Mampiavaka ny Centre la bonté Madagascar ny fananan’izy ireo mpiandraikitra nanaraka fiofanana feno manodidina ny tontolon’ny zokiolona ary ny fotodrafitrasa manaraka ny fenitra ahafahana mampian-trano ireo zokiolona. Tsy mamihina ho azy samy irery ny fahaizana norantoviny tamin’ny alalan’ny fianarana nataony ny Dokotera Ramanandrafaliarisoa fa miezaka mizara izany amin’ny alalan’ny fanatontosana fiofanana. Manodidina ny 400 eo ho eo ankehitriny ireo olona efa nahavita fiofanana ary afaka misehatra avy hatrany amin’ny fikarakarana ireo zokiolona. Antso avo no atao ho an’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy mba hitondra ny anjara biriky manandrify azy ho fampiroboroboana ny sehatrasan’ny Centre la bonté Madagascar izay mahatsiaro tena ho miady irery ihany aloha hatreto amin’ny fanatanterahana ny asa masina ataon’izy ireo. Enga anie mba tsy ho antso an’efitra izany fa hisy hihaino ! Entanina, araka izany, ireo tsara sitrapo mahatsiaro fa tsy toy izao izy ireny raha tsy teo ireo zokiolona nanabe sy nanolokolo ary tsy nitandro hasasarana mba handray anjara mavitrika ho amin’ity « Journée récréative » hatao rahampitso sy amin’ny alahady, eny Andraisoro ity.


