FILOHA TEO ALOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Nihaona tamin’ireo malagasy tany Parisy

Nihoana sy nitafa tamin’ireo malagasy any an-dafin’ny riaka ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ny Mpandrindra Nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao, ny sabotsy 5 novambra lasa teo. Nandritry ny lanonana izay naharitra adiny telo latsaka kely dia nifandimby naneho ny heviny momba ny lasa, ny ankehitriny sy ny laharam-pahamehana ho an’ny ho avin’ny firenena izy ireo.

Izao fihoanana izao moa dia tafiditra anatin’ny fanokafana ny taom-piasana 2022-2023, antony nanombohana ny lanonana tamin’ny famakafakana ny raharaham-pirenena.

Fanentanana ny zanaka am-pielezana na diaspora eo amin’ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny fandraisana anjara sy andraikitra hiara-hampandroso ny firenena no nataon’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Ny fitiavan-tanindrazana dia tsy voafetran’ny morotsiraka raha ny heviny ary voa maika aza mitombo rehefa lavitra an’i Madagasikara.

Naneho izany ny tenany tamin’ny famelamberan-kevitra momba ny toe-karena, ny sosialy, ny politika ko aizy ary nametraka mazava tsara ny fifandraisana akaiky eo amin’ireo sehatra rehetra ireo. Misy fiatraikany koa izy ireo eo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-pifidianana, ka raha izao no mbola mitohy dia tsy hitsahatra hitontongana ny firenena ary tsy ho hisy mangirana azo hantenaina mihintsy ho an’ny ho avy.

Ny Mpandrindra Nasionalin’ny antoko kosa dia nametram-panontaniana momba ny nahatonga ny fitontongan’ny firenena efa-taona taty aorian’ny fifidianana farany raha ireo refy na indicateurs no alaina.

Noho izany dia niantso ireo mpanao politika sy manam-pahaizana i Atoa Rivo Rakotovao handray andraikitra hanampy ireo mpiray tanindrazana izay efa maro no « tsy afaka mieritreritra intsony ny ampitso satria na ny androany aza tsy fantany raha mbola ho saha maraina ve ? »

Marihana fa ny ankamaroan’ireo nanatrika ny fotoana dia olona hafa noho ny mpikambana na mpanaraka ny HVM, mariky ny fisokafan’ny filoha mpanorina sy ny antoko amin’ny hafa sy ny ivelany, ary ny fahavononana eo amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa. Tamin’ireo mpanotrona tonga maro dia teo ireo avy amin’ny TIM an’Atoa Marc Ravalomanana any Frantsa, teo koa ny solotena avy amin’ny Leader Fanilo, ministra, solombavam-bahoaka na masoivoho teo aloha, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena toa ny Collectif des Citoyens Malagasy, olon-tsotra, mpisehatra ary mpampiasa vola.

Ny tapan’ny faharoan’ny fihoanana moa dia nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra na fametraham-panontaniana avy amin’ny mpanotrona. Teo ny fanontaniana mikasika ny fifidianana, ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ny concertation nationale, ny HCC, ny CENI sns.

Mbola hisy moa ny tohin’ny tatitra momba ity fihoanana tamin’ny sabotsy lasa teo ity, indrindra mikasika ny valinteny avy amin’Atoa Rivo Rakotovao sy Hery Rajaonarimampianina nandritry ny débat, ary momba ny antso sy vahaolana atolotry ny Filoha teo aloha mikasika ny fiainam-pirenena sy ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ny maha raiamandreny azy.

Vous aimerez aussi