Tapa-kevitra ary mirona tanteraka amin’ny filalaovana ny gadon-kira mihetsika « Mozika tropikaly » tahaka ny afro beat, tsapiky, sud af, sns i Randrianiriana Olice, mpanakanto, Zanaky Manakara ary misalotra ny solon’anarana hoe : « Lica » eo amin’ny sehatry ny mozika.
Mampiavaka an’i Lica ny fananana lay feo mifanakaiky tanteraka amin’ny feon’Andriambavilanitra. Nomarihany fa voajanahary izany ary ezahany hatrany ny mikolokolo izany ho fitaovam-pamokarana mahomby hanajariana taokanto. Tombony ho an’i Lica ihany koa ny talenta eo amin’ny lafiny famoronana tononkira sy ny feon-kira sahaza izany. Misy hafatra miendrika anatra mora takarina ny tononkirako, hoy i Lica, mba ho tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay hoe : « Mpanabe sy mpitondra hafatra ny Mpanakanto ».
Ampahany amin’ire sanganasa nahafantarana ity mpanakanto ity ny « Tsy magnino” sy ny “Foko tsy vy”. Andalam-piktrehana ny vazo vaovao « Samy vita » izay narindra amin’ny gadona tsapiky nasiam-panatsarana ankehitriny ny tovolahy. “Samy vita » izay nojariana manokana hiatrehana ny asaramanitry ny faran’ny taona. Azo ambara ho taniketsan’ny hira tropikaly eto Gasikara, araka izany, I Lica. Ity farany izay vonona hiara-hisalahy amin’ireo tsara sitra-po ho fanabeazam-boho ny kanto an-kira Malagasy.


