MARCELIO : Midera amin’ny bagasy sy ny rap

Rajaozandry Nilana Marcelio no anaran’ity tovolahy ity izay resy lahatra rehefa nandre ny bitsiky ny fanahy masina tao anatiny ny amin’ny ampiasana ny talenta ananany ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

Ny feo voalohany matanjaka sady rakotra angola, miampy ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny dihy. Ireo mitambatra no toy ny vy miaina mampisavoana avo dia avo ny talentan’I Marcelio eo amin’ny habaky ny mozika evenjelika. Nanaitra sy nanintona ny maro amin’ity mpanakanto ity ihany koa ny fironany amin’ny fiangaliana ny bagasy sy ny fivelarany miandalana amin’ny famplasana ny rap hoenti-mitory ny filazantsara ary ho fanabaezana ireo tanora. Tsotra ary mora takarina ny tononkiran’i Marcelio. Ampahany amin’ireo vokakantony ny « Amboary aho », « tsy anio ihany ». Efa misy ny fampiaraham-peon’i Marcelio amin’i Mialy Rakotomamonjy. Ny faramparan’ity taona 2022 diavintsika ity no mikasa hamoaka ny klapila mangirany voalohany i Marcelio. Ity farany izay niainga tamin’ny famoronana tononkalo ary izao tonga amin’ny sehatry ny fihirana hira evenjelika izao.

Vous aimerez aussi