
Betôfy, io no solonanarana entin’i Christophe, mpanakanto tanora zanak’i Menabe eo anivon’ny fikirakirana ny mozika sy ny hira. Mirona tanteraka ho amin’ny fametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny « Kilalaky » izay mozika sy gadona ary soradihy nentim-paharazana mampiavaka ny Menabe ity mpanakanto ity. Ny fivoizana ny « Kilalaky oplala » izay somary miadana kokoa ny gadona rehefa miangaly azy no ilofosanay, hoy i Manager Benarivo, izay mpiahy voalohany azy 12 mianadahy mandrafitra ny tarika « Betôfy ». Maro no diso hevitra, hoy hatrany i Manager Benarivo fa mozikan’ny « Dahalo » sy ireo « Tambanivohitra » ny « Kilalaky ». Diso tanteraka anefa izany, hoy hatrany ny lehilahy fa manana ny maha izy azy ary fitaovana mahomby ahafahana mampita hafatra sy manabe ny « Kilalaky » ary mirakitra soatoavina lalina toy ny fanehoana firaisankina sy fihavanana. Nomarihany rahateo fa tompony fa tsy mpindrana i Betôfy ary tsara toerana tokoa hitondra avo ny « Kilalaky oplala » noho izy Zanaky Menabe ary manan-talenta feno amin’ny fanehoana izany.
Ireo trangam-piainana eny Ambanivolo tahaka ny fiatrehana ny asan-dahalo, ny asa famokarana (Fambolena sy fiompiana). Ireo no akora fototra entin’i Betôfy manajary ireo taokantony. Amin’ny maha tanora ny tovolahy tsy adinony ny mivetso an-dRafitiavana amin’ny endriny marolafy toy ny fitiavan’Olon-droa, Ray aman-dReny, ankizy sns. Ampahany amin’ireo sanganasan’ny tarika efa vita rindran-tsary ary efa maro mpankafy ny « Agny ianao zay Chérie » sy ny « Foko tia ». Saika ny lafivalon’ny Nosy no efa nanjifa ny seho nentin’ny tarika Betôfy. Afa-po ireo mpanjifa, hoy i Betôfy ary tsapa fa tafita ny hafatra. Ankoatry ny maha mpihira an’i Betôfy, manan-talenta amin’ny fitendrena kabôsy ary ny lafiny fandihizana ihany koa ny tovolahy. Azo ambara fa hanana hoavy mamiratra ary afaka hitondra avo ny « Kilalaky oplala » tsy eto Gasikara ihany fa hatrany Dilambato ity tarika ity.


