AMBOHIMANGAKELY : Rakotra mpivarotra ny moron’arabe

Rakotra mpivarotra ny andaniny roa amin’ny Lalam-pirenena faharoa, mamakivaky ny tananan’Ambohimangakely, efa am-bolana maro izao. Vokany, sahirana ary tataovan’ny lozam-pîfamoivoizana isan’andro vaky izao ireo sokajin’olona mpampiasa iny lalana iny, toa ireo mpiasa sy mpianatra ary ireo mpandalo eny an-toerana.

Na teo aza ny fanolorana toerana ho an’ireo mpivarotra avy amin’ny Kaominina eny an-toerana dia indrisy fa maro amin’ireo mpivarotra no tsy niditra tamin’ny fampiasana ilay toerana izay naorina sy nohajariana eo anilan’ny tetezan’Ambohimangakely. Inoana fa ho tafiditra amin’ny asa laharam-pahamehana eo anivon’ny fiadidiana ny Kaominin’Ambohimangakely ny fitadiavana vahaolana hahafahana manala ireo mpivarotra amoron-dalana eny an-toerana ary hametrahana azy ireo amin’ny toerana « manara-penitra ». Ny arabe mantsy ho an’ny fiarakodia ary ny sisin-dalana ho an’ireo mpandeha tongotra, araka, ny voalazan’ny lalàn’ny fifamoivoizana. Tsy izany anefa no tazana sy iainana eny Ambohimangakely fa ireo « Mpivarotra » no misonenika sy mibahana ny sisin-dalana roa (Havia sy havanana) tokony ho an’ireo « Mpandeha an-tongotra » izay manan-jo hampiasa izany. Manao antso avo sy maika ho an’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, araka izany, ireo mponina eny an-toerana amin’izao fiverenan’ireo mpianatra an-tsekoly izao indray ka mampitombo betsaka ireo mpampiasa ny lalana mba hijery vahaolana hisorohana ny patsa iray tsy homby vava. Raha tsiahivina, efa maro ireo niharan-doza teny an-toerana. Teny filamatra nofinidin’ny Ben’ny Tanàna amperinasa ankehitriny rahateo ilay hoe : « Ovaintsika ny Tanàna » Nisy ihany ny ezaka efa natao nanalana ireo mpivarotra amoron-dalana fa saingy tsy nitohy sy very an-javony izany, hoy ireo mponina sendra anay teny an-toerana. Mila sahy, araka izany, ireo eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely amin’ny fandraisana andraikitra hampirindra ny fiaraha-monina. Izay rahateo no anisan’ny nifdianan’ireo mponina ny Ben’ny tanàna mba hiaro sy hampisitraka azy ireo ny Zony feno.

Vous aimerez aussi