FIMPIFIMA : Hanatanteraka « Croisade » lehibe

Ny 12 hatramin’ny 14 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Betongolo, no hanatanterahana ilay « Croisade » lehibe, karakarain’ny « FIombonan’ny MPItory FIlazantsara eto MAdagasikara ».

Anisan’ny hampiavaka azy ity, hoy ny Pasitera Tojo Ranaivomanana, avy ao amin’ny Fiangonana Fiananam-baovao ao amin’i Kristy, etsy Andohatapenaka, iray amin’ireo mpikarakara ny hisian’ny vahiny Profeta miisa 02, dia i Jerame sy Miranda Nelson samy avy any San Diego Amerika. Izy ireo izay efa fantatra amin’ny fanatanterahana asa fitoriana tahaka izao aty Afrika sy maneran-tany mihitsy.

Handrafitra ny fandaharam-potoana eny an-toerana ny fanatanterahana ny asa fitoriana, famonjena ary ny fahagagana. Tanjona amin’ny « Croisade » tahaka izao ihany koa ny hitaona ny Malagasy tsy ankanavaka hibebaka sy hanankina hatrany ny fiainana manontolo amin’Andriamanitra. Hanafana ny fotoana ary hanamafy ny fizarana aim-panahy eny an-toerana ireo mpanakanto evenjelika efa manana ny lazany toa an’i Jao’s band, Isaac de Paul, Pepe Shine, Fitiavana, Groupe Ba, TDL ary Rahalahy Tahiana. Ho matihanina avokoa ireo pitsopitsony ara-tekanika tahaka ny fanamafisam-peo, jiro sy hazavana ary ny lapihazo hampiasaina mandritra ity « Croisade » goavana ity, hoy ireo mpikarakara mba hahatonga lafatra ny fanatanterahana ny asa fitoriana sy ho voninahitr’Andriamanitra.

Vous aimerez aussi