
Ny taona 2019 no najoron’i Tahiana sy Larissa vadiny ny Groupe Rahalahy Tahiana « GRT ». 12 mianadahy no mandrafitra ny tarika. Ny hitory ny filazantsara ary ny hitarika ny Olombelona tsy an-kanavaka hibebaka sy hametraka mandrakariva ny fiainana amin’ilay Ray tsitoha, no antom-pisiany.
« Tsy tokam-bolo fa gadona maroloko no ezahanay fehezina mba samy hahazo ny anjara manandrify azy avokoa ireo mpankafy », hoy i Tahiana. Ireo tononkiran’ny « GRT » ihany koa narafitra amin’ny fomba tsotra nefa kanto sy meva ary rakotra hafatra mafonja azo atao ho vatsin-dalana eo am-pamakivakiana ny fiainana an-tany. Singanina amin’ireo ban-kira lalaovin’ny Groupe Rahalahy Tahiana ny « Tsapiky », « Afro beat », « slow », sns. Mampiavaka ny tarika ilay fizarana aim-panahy sy fankaherezana ho an’ireo mila ho kivy sy ketraky ny adim-piainana. Ampahany amin’ireo sanganasan’ity tarika ity efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny « Toky », « Tsy hivadika » ary ny « Hanompo anao ». Ny taona 2021 dila teo iny no namoahan’izy ireo ny kapila mangirana « Lalam-baovao ». Ity farany izay nirakitra hira miisa 08 ary amin’ny endrika « DVD ». I Larissa no mamorona ny tononkira ary i Tahiana no miantsoroka ny fitadiavana ny feonkira sy ny fandrindrana azy mba ho hira kanto sahaza sy mendrika hanomezam-boninahitra ny Tompo. Misokatra malakaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo vonona hanabe voho ny asa fitoriana ny « GRT ». An-dalana amin’ny famoahana hira ahitana fampiaraham-peo amin’ny mpanakanto evenjelika efa manana ny lazany ankehitriny ny tarika. Manohy hatrany ny fitetezam-paritra ihany koa izy ireo.


