MPANAKANTO « MAMA RED » : Miangaly mozika maroloko

« Mama red », anarana nofinidin’i Soavelo Zoariline isalorana amin’ny maha mpanakanto azy. Ny loko mena no tena ankafiziko, hoy izy noho izy manambara fitiavana miredareda sy maneho tanjaka ary hafanana mivaivay koa tsy nisalasala aho nametraka izany ho fanampin’ny solonarana entiko eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika.

Zanak’Ambovombe i « Mama red ».Tombony ho azy ilay fananana feo somary mikasoka nefa kanto loatra rehefa mipaka eny an-tsofina miampy ny fahaiza-mandihy sy fanafanana ny sehatra. Omeny vahana sy mibahana kokoa amin’ny loko mozika lalaoviny, araka izany, ny gadona nentim-paharazana mampiavaka ny atsimon’i Gasikara. Singanina amin’ireny ny « Tsapiky » hahenoana antsa sy beko eny antsefantsefany eny. Amin’ny ankapobeny mifaka bebe kokoa amin’ny filalaovana ny mozika tropikaly (Gadona mihetsika) i « Mama red ». Mahafolaka ny bankira maka milamina « Slow » koa anefa ny tovovavy. Ireo trangam-piaraha-monina tojo azy eny anivon’ny fiarahamonina no akora fototra entin’i « Mama red » manajary ireo tononkirany. Fady ho azy ny manao kitoatoa sy rainazy eo amin’ny fomba handrafetana ireo tononkira. Misy hafatra mafonja sy anatra sahaza ny isam-batan’olona avokoa, araka izany, ireo sanganasan’i Mama red. Anisan’ireo vazo nahafantarana an’i « Mama red » ilay « Tojoky ny tiako ». ity farany izay azo avy amin’ny fitadiavana ny marimaritra iraisana eo amin’ny gadona « reggae » sy « sud af ». Andalam-piketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany hanana endrika rindran-tsary ankehitriny izy 10 mianadahy mandrafitra ny Groupe « Mama red ». Mialoha izany, efa afaka hanjifa ny taokanton’i « Mama red », ny any Toamasina amin’ny voalondohan’ny volana jolay izao amin’ny alalan’ny fiakarana an-tsehatra hiarahana amin’ity mpanakanto misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ho fanabeazam-boho ny mozika malagasy ity.

Vous aimerez aussi