Mpanakanto samy efa manana ny lazany miisa dimy ahitana an’i Tence Mena, Malm, Ceasar, Wada & Yoongs ary i Ayo Naej. Ireo no hifandrimbona hanafana ny rindran-kira « Mandona be » hotanterahana, ny Alatsinain’ny Pentekoty ho avy izao, etsy amin’ny Stade Complexe Ampefiloha.
Ho ambohipihaonan’ireo gadon-kira mihetsika ankafizin’ny maro ankehitriny tokoa, araka izany, ity rindran-kira hoentanin’ny mpikosoka kapila Dj Yoan Loîc mandritra ny tontolo andro etsy Ampefiloha ity. Nomarihan’ny fikambanana « Avotra » tarihan’ny Ramatoa Voahangy, anisan’ireo mpikarakaraka ny « Mandona be » fa ankoatry ny fizarana hafaliana sy fahafinaretana amin’ireo mpiara-belona izay afaka tovozina avy amin’ny fanjifana ny seho hataon’ireo mpanakanto eny an-toerana amin’ny sarany mirary dia hiara-dalana amin’izany ihany koa ny mahasoa noho ny fanolorana ny vola ho azo amin’ity rindran-kira ity ho an’ireo marary sahirana amin’ny enti-manana ho amin’ny fitsaboana azy ireo. Ny fikambanana « Avotra » izay misehatra rahateo amin’ny asa sosialy sy ny fanampiana ireo Malagasy mpiray tanindrazana mila tolo-tanana.
Ho entitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny an-toerana. Fanamafiasam-peo, jiro sy hazavana matanjaka sy raitra hiampy sakafo sy zava-pisotro sahaza ny isam-batan’olona. Ireo no hitsena ireo hiazo ny stade Complexe Ampefiloha hanjifa ny fampisehoana. Ho tanteraka ara-bakiteny anatin’ny « Mandona be » tokoa, araka izany, ilay hoe : « Ny adidy ho vita ny fahafinaretana ho azo ».


