TARIKA BAOBAB : Manandratra ny mozika malagasy

Tarika Baobab, hivondronan’ireo valo mianadahy resy lahatra tanteraka fa mbola mitoetra ary tsy hay kosehina anatin’ny Malagasy sy ireo Vahiny ny fankafizana tsy misy fepetra ireo vazon’ny taona 60 – 70. Natambatry ny fitiavana mozika izahay, valo mianadahy, mandrafitra ny « Baobab », hoy i Rabeson Haingo, izay mitantana ny tarika. Ny anarana « Baobab » izay nofinidin’izy ireo manokana noho izy manambara ilay hazo tokana aman-tany sy harem-pirenena ary mirakitra tantara mampiavaka ny Malagasy amin’ny hafa firenena.

Mampiavaka ny mozika voizin’ny Baobab ny fihezahan’izy ireo mandrakariva tsy hanova ny « Fanahy » raiketin’ireo tsanganasan’ireo mpanakanto indray mihiran’ny taona 60 hatramin’ny 70. Maro, araka izany, no teraka embona sy tsiahin’ny fahatanorana tsy hay ambara eo ampihainoana ny mozikan’ny tarika Baobab. Anisan’ny tanjona ihany koa, hoy hatrany i Haingo ny fampitiavana indray ireo taranaka Malagasy ny kanto mitoetran’ireo hiran’ny taona 60 – 70. Ireto farany izay mirakitra hafatra, anatra ary mampisongadina indrindra koa ny hakanton’ny teny malagasy rehefa hain’ireo mpamoron-kira ny mampiasa sy mamolaka azy ho tononkira kanto sy mahasondriana.

Anisan’ny voizin’ny tarika Baobab ny sanganasan’i Olivier Andrianavony, Troupah, Bera, Ambio, Rahona, Rambao, … Izy ireo izay azo ambara tsy ampisalasalana fa samy andrarezin’ny mozika malagasy tokoa. Nahazoana alalana mazava ary ara-panjakana ny fampiasana ireo vokantoin’ireio mpanakanto ireo, hoy i Haingo ary misitraka ny tombontsoa amin’izany ireo taranaka mampandimby azy ireo.

Raha tsiahivina efa nahavita fampisehoana tatsy amin’ny Nosy La Reunion sy fitetezam-paritra tany Eropa ny tarika Baobab ny taona 2020. Andrasana, atsy ho atsy ny famoahan’ny tarika Baobab, ny kapila mangirana, hirakitra hira miisa manodidina ny folo izay an’ny tarika Troupah sy ny fitetezam-paritra. Ny tena kanto, tsy mety vasoky ny vanimpotoana maro mifandimby, ary tsy hay kosehina anatin’ny Diarin’ny mozika !

Vous aimerez aussi