MPANAKANTO « RAJAH CENT » : Mivoy mozika tropikaly

Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny isan’ireo mpanakanto miangaly ny mozika mafana (Mihetsika) eto amin’ny Tanàna. Anisan’ireo nanatevin-daharana izany ankehitriny i Rakotondrahaingo Haja Alcide. Mitondra ny solonarana hoe : « Rajah cent », eo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika ary Zanaky Menabe ny tovolahy. Azo avy amin’ny famadibadihana ireo litera mandrafitra ny anarako ny « Rajah » ary ny « cent » midika fa vonona ny hanome ny tsara indrindra (100 isan-jato) ho an’ireo mpankafy ny mozika mafana ny tenako, hoy Rakotondrahaingo Haja Alcide, izay mbola anatin’ny taom-pahatanorany tokoa.

Mifototra amin’ny fitrandrahana ny « tsapiky » nohavaozina sy nohatsaraina hanaraka ny vanimpotoana ankehitriny ireo sanganasan’i « Rajah cent ». Tsy mijanona hatreo fa misandrahaka amin’ny famolahana ireo gadon-kira vahiny mihetsika tahaka ny afro beat, sud af, sns ary mahafolaka ny maka milamina « Slow » ihany koa i Rakotondrahaingo Haja Alcide. Raha fehezina, manavia manavanana amin’ny fiallaovana gadona maroloko ary tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny fikirana ny mozika ny tovolahy. Ampahany amin’ireo vazon’i Rajah cent efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny « Andro zoma » sy ny « Célibataire ». Mirakitra hafatra sy milaza ireo trangam-piaraha-monina marolafy ahafahana manatsoaka anatra sahaza ny isam-batan’olona ny tononkiran’ity mpanakanto ity. Nohamafsiiny hatrany ny fahavononany hitondra avo ny lentan’ny mozika mafana eto Gasikara sy ny fisokafana amin’ny fiaraha-miasa ho fanatrarana ny tanjona.

Vous aimerez aussi