Mr Sayd, Mad max, Nael, Lyon Hill, Shyn, Ceasar, Wada & Yoongs. Mpanakanto samy manana ny lazany amin’ny sehatry ny fivoizana ny « Mozikan’ny tanan-dehibe » no hiray sehatra anatin’ny seho « Urban vibes », hotanterahana, ny tolakandron’ny 24 jolay ho avy izao, etsy Antsahamanitra.
Sambany no ho tafaraka amin’ny toerana iray ary amin’ny andro mazava ireto mpanakanto ireto, hoy ny mpikarakara. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa izay ny ankamaroan’izy ireo « adolantsento » no nanosika azy ireo hanatanteraka ny « Urban vibes, aorian’ny fahavitan’ireo fanadinam-panjakana nanao tohivakana tato ho ato. Ankoatry ny fanomanana totoafo ataon’ireo mpanakanto handray anjara dia tsy hataon’ny mpikarakara ho ambanin-javatra ihany koa ny pitsopitsony ara-teknikan’ny fanatanterahana ny « Urban vibes », singanina amin’ireny ny fanamafisam-peo, jiro sy hazavana izay ezahana ho raitra sy manaraka ny fenitra amin’ny maha seho goavana ny « Urban vibes ». Ho hentitra ihany koa ny fitandroana ny filaminana eny an-toerana. Irariana mba samy hahay higoka fahafinaretana anatin’ny fahamendrehana ireo « Adolantsento » izay azo inoana fa ho maro tokoa no ho avy eny Antsahamanitra rehefa avy niatrika ireo fanadinam-panjakana.


