Araka ny fanazavan’ny filohan’ny AV7, atoa Andriamahanina Haja, dia hiavaka ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2022 amin’ity taona ity, hoy izy.
Catégorie : Samihafa
KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA : Maro ireo asa mivantana vitan’ny ben’ny tanàna
Maro ireo asa mivantana vitan’ny ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka, tamin’iny taona 2021 iny. Anisan’izany ny fanatsarana ny fampidiram-bola sy ny hetra, mba nahafahana nanao ny asa sosialy, na dia tsy nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana aza.
KAOMININA MAHABOBOKA : " ... Misaotra gny filoha Andry Rajoelina ahay fa la afaky hanao fety Bonne Année ! "
Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao dia namangy ny tanàna niaviany ny loholona Tsiebo Mahaleo anio 30 Desambra 2021. Ka tamin’izany no nanolorany ny fanampiana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina.
FIKAMBANANA AV7 : Notoloran’ny Filoha Andry Rajoelina vary sy menaka
Mpikambana miisa 180 avy ao amin’ny fikambanana AV7 no notoloran’ny Filohampirenenana Andry Rajoelina vary, menaka, savony, sns… tetsy amin’ny Epp Andravoahangy I, ny alatsinainy sy talata maraina teo, mba entin’izy ireo miatrika ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao 2022.
FAHARENDREHAN'NY SAMBO M/S FRANCIA III : 83 tamin’ireo mpandeha 138 no maty, olona 5 mbola tsy hita – « Hisy ny fanadihadiana sy fanasaziana ireo rehetra tompon’andraikitra nahatonga izao voina izao »
Tafakatra 83 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina izay naharendrika ny sambo M/S Francia III ny alatsinainy 20 desambra 2021 lasa teo. 138 ireo mpandeha noentin’ity sambo ity ka 50 tamin’izy ireo no avotra aina. Olona 05 kosa no tsy mbola hita hatramin’ny alarobia 22 desambra.
JENERALY SERGE GELLE : Nasondrotra amin’ny laharam-boninahitra « Général de Corps d’Armée »
Tapaka nandritran’ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 22 desambra 2021 teo fa asondrotra amin’ny laharam-boninahitra « Général de Corps d’Armée » ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Nodimandry i Ranjivason Jean Théodore
Nodimandry Ranjivason Jean Théodore, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha…
ANTOKO MPIHIRA « LA POLIFONICA DI TANA » : Ivondronan’ireo Mpampianatra hira
Ny 20 janoary 2020 no niforona ny antoko mpihira « La Polifonica di Tana ». Niompana tamin’ny filalaovana ireo hira klasika italiana izy tany am-boalohany ka nampitolagaga ireo vahiny italiana ny nihirany ny hiran’i G. Puccini, G. Verdi, Donizetti… tamin’ny 22 febroary 2020 tao amin’ny IKM Antsahavola.
BORIBORITANY FAHAROA SY FAHATELO : Maro ireo tovovavy tsy ampy taona no miroso amin’ny fanambadiana
Maro ireo tovovavy tsy ampy taona no miroso eo amin’ny sehatry ny fanambadiana, raha ny fanazavana. Raha ho an’ny boriboritany fahatelo dia mahatratra 25 ireo miroso amin’ny fisoratam-panambadiana izay ny 18 desambra izao, ka efatra amin’ireo dia tsy ampy taona.
CCI IVATO : Tontosa ny Fikaonandoham-pirenena ho fampivoarana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara
Tontosa teny amin’ny CCI Ivato ny 09, 10 ary 11 Desambra teo ny Fikaonandoham-pirenena ho fampivoarana ny sehatry ny fiompiana, na colloque national pour le développement de l’élevage à Madagascar, teo ambany fiahian’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana.
