Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao dia namangy ny tanàna niaviany ny loholona Tsiebo Mahaleo anio 30 Desambra 2021.
Ka tamin’izany no nanolorany ny fanampiana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina.
Tokantrano sahirana miisa 200 ao amin’ny Kaominina MAHABOBOKA distrikta Sakaraha arak’izany no nisitraka fanampiana sy tohana ara-tsakafo izay nitsinjara toy izao :
- Vary 2 tonnes izay notsinjaraina 10 kilao isan’olona
- Voamaina ( lojy ) : 5 kilao isan’olona
- Menaka 200 litatra izay nahazoan’olona 200 1 litatra isan’olona
- Savony 200 barres izay nahazoan’olona 1 barre isany.
Velom-pisaorana ny Filoha Andry Rajoelina sy ny loholona ireo mpisitraka satria sambany mba nisy nizara vary isam-baravarana mialohan’ny fety.
Santatra ambavarano moa hoy ity loholon’i Madagasikara avy any Atsimo ity ny hetsika toy izao fa ny manetsa-be mbola ho avy satria fotoana ihany koa izay nararaotany nijerena ny tena zava-misy hiainan’ny vahoaka madinika ity fotoana ity toa ny fanarenana ny tohadrano fanondrahana tanimbary mba hahazoana vahaolana maharitra ka hahatanteraka ny Velirano faha-9 ny Filoham’pirenena dia ny FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.








