KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA : Maro ireo asa mivantana vitan’ny ben’ny tanàna

Maro ireo asa mivantana vitan’ny ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka, tamin’iny taona 2021 iny. Anisan’izany ny fanatsarana ny fampidiram-bola sy ny hetra, mba nahafahana nanao ny asa sosialy, na dia tsy nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana aza. Natao nangarahara ny fitantanana ny volan’ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna. Teo ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina, tamin’ny fampidirana rano, ny fanaovana ny barazy. Fanatsarana ny laka-drano mirefy 400 metatra izay nohajariana. Fanamborana ny barazy tao Antsampanana, ka vola 30 tapitrisa ariary no lany tamin’izany. Fanamboarana ny lakan-drano tao anaty tanimbary. Ny fanamboarana ny tetezana saika tapaka. Fanamboaranaa ny lalana RIP 29 tao Ampanomahitsy. Lalana Ambodivona izay natao pave. Fanatsarana ireo Epp 5 amin’ny 14. Ezahina ho vitana ireo Epp tsy mbola vita, hoy ny Ben’ny tanàna. Fanavaozana ny biraom-pokontany. Natao pave koa ny lalana tao Ambatomainty sy Anosy, izay simban’ny sarety sy kamiao. Fanamboarana ny CSB2 ary nasiana panneau solaire tao anatiny. Teo amin’ny fampianarana dia nisy ny fifidianana paompin-drano tao amin’ny lisea. Teo ireo tanora nahazo mention ary nomena valisoa. Fanaovana ny kianja, fanamboarana ny terrain basket. Nasiana fanatsarana koa ny biraon’ny kaominina ary teo ny fividianana ny fitaovana samihafa. Mikasika ny fambolena sy ny fiompiana dia ny 1/3 ny tanimbary no voaketa, fa ny 2/3 kosa mbola niandry orana. Ny 80% ny mponina ao Ambohitrimanjaka dia tantsaha avokoa. Marihana, fa volan’ny kaominina madiodio no nanaovana ireo fotodrafitr’asa maro samy hafa ireo, hoy ny Ben’ny tanàna atoa Zazà.

Vous aimerez aussi