Araka ny fanazavan’ny filohan’ny AV7, atoa Andriamahanina Haja, dia hiavaka ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2022 amin’ity taona ity, hoy izy. Efa eo am-pandaminana sy fikarakarana izany hestika izany ny fikambanana sy ireo mpikambana rehetra raha ny tatitra nataony hatrany. Mialohan’ny fahatsiarovana io daty io anefa dia mangataka fihaonana amin’ny atoa Filohampirenena Andry Rajoelina ireo mpikambana ao amin’ny AV7 mba handinihana ny toe-draharaha misy ankehitriny, ny resaka momba ny sosialy, ny pôlitika sy ny sisa. Raha ny nambaran’ny filohan’ny AV7 hatrany anefa dia nankasitraka ny lahateny nataon’ny filoha ny fikambanana ary midera manokana ireo ezaka vita tamin’iny taona lasa nivalona iny. Lavin’ireto mpikambana ao amin’ny AV7 ireto kosa anefa ny sakana hataon’ireo olom-bitsy sy ny mpanao politika mpanohitra amin’ny sakan’ny asa fampandrosoana, fa vahoaka 22 tapitrisa no mankasitraka ny asa fampandrosoana hataon’ny Filohampirenena ankehitriny, hoy izy. Izay tsy vitan’ny mpitondra tao anatin’ny 60 taona dia ho vitan’izao fitondrana izao ao anatin’ny fotoana fohy, ka tokony hanaiky izay asa fampandrosoana izay isika vahoaka, hoy hatrany ny AV7. Nirary soa ny filoha Andry Rajoelina ny fikambanana AV7, fa nahavita nitsipaka iny taona 2021 iny ary nahazo izao taona vaovao 2022 izao. Nirary ihany koa izy ireo mba hahavita ny asa fampandrosoana amin’ity taona 2022 ny Filohampirenena ary hanatanteraka ireo velirano izay nampanantenaina ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany ny fikambanana AV7.


