ORINASA PERFECT : Olona 200 notolorana sakafo tao amin’ny Boriborintany faharoa

Olona miisa 200 tao amin’ny fokontany efatra dia Tsiadana, Volosarika, Ambatoroka, Ambanidia ao amin’ny boriborintany faharoa no notoloran’ny orinasa Perfect sakafo, ny zomà lasa teo. Ka tao amin’ny fokontany Ambatoroka no natao ny fanolorana. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, ramatoa Sylvia Ranaivojaona, fa mpanao asa soa ny orinasa fa tsy mpanao politika ary efa maro ireo asa sosialy vitan’izy ireo, ka anisan’izany ny fanamboarana ny akany tany Fianarantsoa. Fanomezana ny fiofanana ho an’ireo tanora, mba hivoatra amin’ny fiainana. Ny fiofanana omena ny vehivavy mba hahazoany asa ary ahafahany mivelona. Araka ny fanazavan’ny talen’ny orinasa Perfect hatrany, dia manampy ny mpiara-belona no tena imasoan’izy ireo. Nanao antso avo tamin’ireto olona notolorana sakafo ireto ny tale jeneraly, fa raha misy ny hetahetan’izy ireo dia ho valian’ny orinasa ao anatin’ny fotoana fohy izany ary 6 volana raha ela indrindra, hoy ny tale. Hanome fiofanana ny tanora ny orinasa, eo ny fiofanana momba ny informatika, ny “maçonnerie”, sy ny sisa. Nambaran’ny delegen’ny boriborintany faharoa, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise, kosa fa olona 50 sahirana isaky ny fokontany no notsongaina sy nomena izao sakafo izao. Nankasitraka ny orinasa Perfect koa ny delege tamin’ny asa sosialy sy ny fanampiana tahaka izao. Maro ihany koa ny asa sosialy vitan’ny orinasa tao amin’ny boriborintany faharoa. Hanamboatra ny lalana pave sy tottoir ao an-toerana ny orinasa amin’ity taona vaovao ity, hoy ny delege. Mbola hitohy ny fanampiana sy ny asa sosialy izay hataon’ny orinasa Perfect amin’ity taona ity, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa.

Vous aimerez aussi