
Tapaka nandritran’ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 22 desambra 2021 teo fa nohon’ny herim-po sy herin-tsaina nananany niatrika ny voina nahazo azy, ary ihany koa ny finiavana nananany tao anatin’izao governemanta izao, dia asondrotra amin’ny laharam-boninahitra « Général de Corps d’Armée » ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Hakarina ho « Sous-Lieutnant » kosa i Laitsara Jimmy Andrianarison, ilay mpikirakira sy mpikarakara angidimby na « mécanicien » izay Adjudant-Chef.

Omena fankasitrahana na « Ordre de mérite » sy fitaovana sy fampitaovana maromaro kosa i Zambie sy ireo Mpanjono nandray anjara tamin’ny fanavotana azy roalahy niharam-boina voatonona etsy ambony.

Raha tsiahivina dia teo am-panatanterahana ny vonjy voina tao Soanierana Ivongo taorian’ny loza izay naharendrika ny sambo M/S Francia III ny alatsinainy 20 desambra teo no nianjera an-dranomasina tany akaikin’ny fokontany Ambatomalama, kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny angidimby nitondra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny Adjudant-Chef Laitsara Jimmy Andrianarison, ny Kolonely Hery Rakotomiliarison izay nanamory ny angidimby ary ny Kolonely Olivier Andrianambinina, Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Primatiora.
Avotra soa amantsara ny Jeneraly Serge Gellé sy ny Adjudant-Chef Laitsara Jimmy Andrianarison rehefa hita ny talata maraina teo rehefa avy nijanona alina tontolo teny ambony ranomasina.

Ny vatamangatsiakan’ny Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Primatiora, ny Kolonely Andrianambinina Olivier, dia hita taorian’ny fikarohana natao ny alarobia 22 desambra tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany avaratr’i Fenoarivo Atsinanana. Mbola karohina kosa ny Kolonel Hery Rakotomiliarison, izay hita tany amin’ny 15km avaratr’i Fenoarivo Atsinanana ny kitapony niaraka tamin’ireo kojakoja tao anatiny.

Mikasika ny famonjena ain’olona an-dranomasina dia hisy ny fandraisana fepetra manokana na « dispositif » manomboka izao.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

