Mpikambana miisa 180 avy ao amin’ny fikambanana AV7 no notoloran’ny Filohampirenenana Andry Rajoelina vary, menaka, savony, sns… tetsy amin’ny Epp Andravoahangy I, ny alatsinainy sy talata maraina teo, mba entin’izy ireo miatrika ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao 2022. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny AV7, Atoa. Andriamahanina Haja, dia tsy nanadino ny fikambanana ny Filohampirenena matoa nanolotra fanomezana ho azy ireo tahaka izao mba hiatrehana ny fety. Nanolotra fisaorana sy fankantelemana ho an’ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny fikambanana tamin’izao tsy fanadinoana ny fikambanana AV7 izao. Nanao antso avo ho an’ny Filoha kosa ny mpikambana rehetra fa mba jereo ireo mpikambana tsirairay fa mijaly na/sy ireo akanga sisa nanamborana amin’ny onitra tokony ho azy ireo, fa ela loatra, hoy ny antso avo nataon’izy ireo. Sahirana mantsy ireo mpikambana, satria, misy ny mbola mitondra takaitra hatramin’izao, nefa ny enti-manana hividianana fanafody tsy misy intsony. Misy ny miasa fa karama kely, tsy ampy hivelomana na hividianana fanafody. Mitaraina amin’ny Filohampirenenana izy ireo fa tena sahirana tanteraka, mba entina mitsabo tena na ireo tsy miasa aza mahatsiaro sahirana koa. Alohan’ny fankalazana ny 7 febroary 2022, hoy ny filohan’ny AV7 dia mangataka fihaonana manokana amin’ny Filoha Andry Rajoelina ireo mpikambana AV7, handinihana ny raharaham-pirenena, ny resaka sosialy, ny politika, sns… ary mbola vonona hanohana ny Filohampirenena am-perin’asa amin’ny fifidianana ny AV7, raha ny tatitra azo hatrany.


