FILOHAN’NY AV7 : Miantso ny mpanohitra mba tsy hanakorontana amin’izao ankatoky ny fety izao

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha misy ankehitriny ny filohan’ny AV7, atoa Andriamahanina Haja. Nasiany resaka momba izany ny mikasika ireo mpanohitra. Mandala ny demokrasia Madagasikara ary hankatoavin’ny AV7 izany. Aoka kosa tsy hiantsy ireo mpanohitra ary tsy hanakorontana sy hanelingelina ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao, fa aoka hilamina sy hitony izy ireo.

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA : Tontosa ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa hananganana ny tobi-pamokarana herin’aratra ao Sahofika sy ny PRIRTEM 2

Miroso hatrany amin’ny fampiasana angovo madio sy ny fampitomboana ny famokarana herin’aratra i Madagasikara. Nosoniavina androany 15 novambra 2021 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa fananganana ny toby famokarana herin’aratra na “centrale hydroélectrique” ao Sahofika hiarahana amin’ny vondrona NEHO.