Mila manatanteraka ny « Fandroana » fanao tamin’ny nanjakan’ny Mpanjaka Ranavalona II ny Malagasy taranaka ankehitriny, hoy ny Printsy Andry Rodrigue mba ahafahana mandrindra ho amin’ny filaminana sy fahombiazana indray ny fiainana ankehitriny izay toa mibahan-toerana loatra ireo olana isan-tsokajiny hany ka miteraka fahasahiranana miavosa sy fikorontanan’ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy.
Ao anatin’ny « Fandroana » no hanovozana ny fidiovana, fampihavanana izay mitarika mankany amin’ny fifamelana ary mipaka hatrany amin’ny fahombiazan’ny isan-tokonana izany. Nomarihan’ity taranaky ny mpanjaka Ranavalona II ity fa arakaraky ny vintan’ny isan-tokantrano no fomba entina hanatanterahana ny « Fandroana ». Azo ambara ho toy ny famerenan-kasina ny Malagasy isan-tokonana tokoa, araka izany, ny fanaovana ny « Fandroana ». Nomarihan’ny Printsy Andry Rodrigue fa mila mandini-tena ny Malagasy manoloana ny zavamisy ankehitriny ary manentana hatrany izy ny amin’ny tokony hanajana sy hanomezana hasina ny maha-malagasy ho antoky ny firindran’ny fiainam-piaraha-monina. Vanimpotoana mety hanatanterahana ny « Fandroana » ny fiandohan’ny volana desambra koa inoana fa samy hiezaka hanao izany ny Malagasy isam-baravarana arakarakara ny vintan’ny tsirairay. Tsy ny Ambanilanitra ihany no mila manatanteraka ny « Fandroana » fa eo ihany koa ireo « Mpitondra fanjakana » sy ny fianakaviam-ben’ireo « Mpanao politika isan-tokony ». Ho tanteraka tokoa anie izany !


