FILOHAN’NY AV7 : Miantso ny mpanohitra mba tsy hanakorontana amin’izao ankatoky ny fety izao

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha misy ankehitriny ny filohan’ny AV7, atoa Andriamahanina Haja. Nasiany resaka momba izany ny mikasika ireo mpanohitra. Mandala ny demokrasia Madagasikara ary hankatoavin’ny AV7 izany. Aoka kosa tsy hiantsy ireo mpanohitra ary tsy hanakorontana sy hanelingelina ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao, fa aoka hilamina sy hitony izy ireo. Iaraha-mahita ihany koa ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fisian’ny orana. Manginy fotsiny ny valan’aretina, dia mbola ampiana korontana ihany ve ?, hoy ny filohan’ny AV7. Mbola hendry ny vahoaka malagasy, hoy izy, ka tsy voatarika amin’izany korontana kasain’ny mpanohitra hatao izany. « Tsy hahaongotra ny filoha Andry Rajoelina eo ianareo », hoy ny filohan’ny AV7, satria, voafidim-bahoaka izy no sady mamim-bahoaka », hoy ny AV7, « koa miandrasa fifidianana ianareo mpanohitra », hoy hatrany atoa Andriamahanina Haja. Mikasika ny fiainam-bahoaka, dia nanipy teny ny AV7, fa tena ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka. Tsy misy mahafaka ny fahasahirananao, raha tsy miezaka ianao, nefa misy ny andraikitry ny fitondram-panjakana, ka tokony hitady vahaolana hamahana ny olan’ny sosialy ny fanjakana, hoy izy. Vidin’ny vary sy ny menaka miakatra. Ny vary nohafarana aza mbola lafo. Ny simenitra lazaina fa amin’ny vidiny mirary tsy hita miparitaka eto Antananarivo sy eny amin’ny mpaninjara, afa-tsy ny eny amin’ny faritra. Mahakasika ny raharaha Appollo 21 dia aleo hanao ny asany ny fitsarana, fa mahaleo tena izy ireo. Momba ny fampianarana dia tokony havoaka ny fandahara-potoana momba ny fanadinam-panjakana na “calandrier d’examen” Cepe, Bepc ary bakalorea. Jereo koa ny « cantine scolaire ». Eo koa ny « affaire courante » na ny fampandehan-draharaha fototra eny anivon’ny fampianarana. Nambaran’ny filohan’ny AV7, fa raha 5 alina ariary dia tsy afaka hanodinana ny raharahan’ny fanabeazana, ny hividianana taratasy, tsaoka na « la craie », sns. Farany, « miantso ny filoha Andry Rajoelina ny fikambanana AV7 fa jereo ny mpikambana tsirairay, jereo ihany koa ny olona tena nanohana anao, ary jereo koa ireo olona manodidina anao », hoy ny fikambanana AV7.

Vous aimerez aussi