« JEC MAN DR KELY » : Manandratra ny « Antsa sakalava »

Herson no tena anaran’ity mpanakanto zanaky ny Kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana ity. Ankoatry ny maha mpanakanto azy dia nahavita fianarana momba ny fitsaboana ihany koa i « Jec Man Dr Kely ». Tovolahy kely no hevitry ny hoe : Jec Man, hoy i Herson.

I Jec Man Dr Kely, Mpanakanto sady Mpitsabo.

Ny taona 2019 no nijoro ny tarika « Jec man Dr Kely, izay manompana ny sehatrasan’izy ireo ho amin’ny fampahafantarana sy fanadratana ary fametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny vakodrazana Sakalava toy ny « Antsa », « Malesa », « Antôsy », Salegy ». Miangaly ny gadona Sigoma sy ny wabra ihany koa ny tarika. Tsy mianona hatreo main’ny filalaovana ny « Antsa Sakalava » ry Jec man Dr Kely fa efa nahavita dingam-pikarohana ho amin’ny fampiarahana azy ity amin’ny mozikam-bahiny toy ny « Décale » mba ho fanatsarana sy fampanarahana ny vanimpotoana iainana ankehitriny ny vakodrazana. Mbola tazana eny amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Jec man Dr Kely ihany koa ny fianjaika nentim-paharazana rehefa miangaly ny « Antsa sakalava » toy ny salovana « Lambahoany » ho an’ny Andrimbavilanitra ary sikina ho an’ny lehilahy. Mampiasa ny angorodao (Accordéon) sy ny aponga tapaka ombana korintsana ihany koa ny tarika rehefa milalao ny « Antsa sakalava ». Nohatevenina zavamaneno madeha amin’ny herinaratra toy ny vatamaroafitsoka, gitara izany ankehitriny ho fanatsarana.

Tononkira mifono anatra sy fanabeazana

Tsy mijanona hatreo amin’ny fampialana voly sy ny fizarana fahafinaretana fotsiny mpanakanto, hoy i Herson fa manana adidy masina sy goavana ihany koa ho amin’ny fanabeazana ny isam-batan’olona. Noraiketin’ny lehilahy anatin’ireo tonokira izay nojariany, araka izany, ny hafatra miendrika vatsy sarobidy hamakiavakaiana ny fiainana fandalovana. Ampahany amin’ireo vazon’ny Jec man Dr Kely ny « Sôma la vie » anteriny anatin’izany fa tsy ilaozam-pahasahiranana ny fiainana koa mila mahay miatrika izany am-pitoniana sy ao anatin’ny hafaliana lalandava Raolombelona be siasia. « Tiavo ny kanton-drazanao ary fehezo ny an’ny hafa », hoy i Jec man Dr Kely namarana ny tafa nifanaovana taminy. Ity farany izay andalam-piketrehana ny vazo vaovao ankehitriny.

Vous aimerez aussi