COMESA : Fivoriana an-tampony faha-21 an'ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin'ny Vondrona

Tontosa ny talata 23 novambra tany Caire, Egypte ny fivoriana an-tampony faha-21 an’ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin’ny Vondrona COMESA. Nanamarika ity andiany faha-21 ity ny fanatanterahana ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina izay filohan’ny fivorian’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin’ny COMESA, sy ny Filoha Egyptiana Abdel Fattah Al-Sissi, izay nandimby azy.

Anisany nohamafisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritry ny lahateny izay nataony ny maha zava-dehibe ny fampiasana ny nomerika ho fitaovana entina manarina ny toekarena ho an’ny firenena mikambana eo anivon’ny COMESA indrindra taorian’ny COVID-19. Fomba fijery mifanaraka indrindra amin’ny lohahevitry ny Fihaonana an-tampony faha-21 ity. Notsiahiviny ihany koa fa nizaka ny vokadratsin’ny Covid-19 ny firenena rehetra na ara-tsosialy na ara-toekarena izany. Niezaka nitady vahaolana izao tontolo izao hoy izy indrindra amin’ny alalan’ny teknolojia. Anisany nitarika ny fampiasana ny nomerika amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo anivon’ny COMESA i Madagasikara tao anatin’ny fitantanany, tamin’ny alalan’ny ZLEN na ny “Zone de libre échange numérique”, ary nahitan’ireo mpikambana tombontsoa izany. Nanampy ireo mpandraharaha ara-barotra sy ireo mpandraharaha amin’ny orinasa kely sy antonony nanamora ny fifanakalozana ara-barotra sy nisoroka ireo antana-tohatra lava ilaina amin’izany ny ZLEN.

Nifantoka tamin’ny firosoana amin’ny fampiharana ny fifanakalozana ara-barotra iraisana ihany koa ny fotoam-pitantanan’i Madagasikara. Tanjona iombonan’ny tsena iraisana mampiasa ny nomerika mba hananana sehatra mangarahara hahafahan’ny rehetra mifanakalo ara-barotra, mifandray sy manatsara ny tontolo iasany ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Miabo ny fe-potoam-pitantanan’i Madagasikara ny COMESA.

Isany asa goavana vita ihany koa ny paikady momba ny sehatry ny indostria eo anivon’ny COMESA sy ny fandaharanasa ho fanatanterahana izay efa nahazo ny fandaniana sy ny fankatoavan’ireo mpikambana. Ezaka natao teo anivon’ny COMESA ihany koa ny fanatsarana ny sehatry ny fitaterana, hanamorana ny famoahana ny entana sy vokatra eo amin’ny firenena mpikambana. Voakasik’izany ny fotoana amin’ny « transit » izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Programme tripartite de facilitation du transport et du transit (TTFP) ». Nisy fahatapahana moa izany fandaharanasa izany nohon’ny COVID-19 ka niteraka ny fidangana miompampana ny saran’ny fitaterana iraisam-pirenena ary nitarika ny fidangan’ny vidin’ireo entana tena ilain’ny vahoaka ary indrindra nahatonga ny fiakaran’ny vidim-piainana maneran-tany.

Nisy ihany koa ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Abdel Fattah Al-Sissi ny tolakandro. Nilaza ny Filoha egyptianina fa ilaina ny fifanakalozana traikefa sy ny fahaiza-manao eo amin’ny malagasy sy egyptianina eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Vonona ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny lafiny nomerika i Egypte ary voaresaka manokana ihany koa ny mahakasika ny fiarovana ny sisin-tany. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Egypte ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ity fihaonana ity. Anisany noresahiny manokana ny mety ho fiaraha-miasa sy fanohanan’ny fanjakana egyptianina an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanamboarana ny lalana migodana mirefy 250km mampitohy an’Antananarivo sy ny seranan-tsambo lehiben’i Toamasina. Voaresaky ny roa tonta ihany koa ny momba ny fahaiza-manao amin’ny fananganana ny tanàna vaovao izay tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina hanarenana ny fahataran’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi