FITEZAINA NY HERIN’NY ZATOVO MALAGASY (FIHEZAMA) : Atoa Ramiandrisoa Lalaina no filoha vaovao hitantana ny fikambanana

Vita ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny sekoly Issup etsy Behoririka, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao hitantana ny fikambanana FIHEZAMA na Fitezaina ny Herin’ny Zatovo Malagasy, ka atoa Ramiandrisoa Lalaina no filoha vaovao hitantana ny fikambanana mandritry ny 4 taona manaraka.

FIKAMBANAN’NY GADRA POLITIKA : Mangataka fihaonana amin’ny Filoha Andry Rajoelina

Feno 10 toana amin’ity taona ity (2011 – 2021) no nivoahan’ny tondrozotra sy ny didim-panjakana mikasika ny fampihavanam-pirenena sy famoahana ny lalàna sy zo aman-kasin’ny fikambanan’ny gadra politika na Fedep. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa noho izany izy ireo mba hamoaka ny “Décret d’Application” mikasika an’ireo gadra politika sy ireo niharam-boina.