FILOHAN’NY ONIVERISTE TOAMASINA : Takian’ny mpianatra ny fialany

Taorian’ny zava-nitranga tao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina, izay nahafatesana mpianatra iray dia namoaka fanambarana iombonana ireo mpianatry ny oniversite Barikadimy ary takian’izy ireo tsy misy hatak’andro ny fialan’ny filohan’ny oniversite, izay nolazain’ireto mpianatra ireto, fa rangory fototry ny olana, tamin’ny tsy namoahany ny vatsiam-pianarana sy ny “équipement” ny mpianatra.

SLK AMBOHITANTELY – JAZZ CLUB CGM : Niombona ho amin’ny fiderana

“Fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika ; eny mamy sady mendrika ny fiderana”. Izany tenin’ny Soratra Masina avy amin’ny Salamo faha-147 : 1 izany no nanompanan’ny Sampana Lehilahy Kristiana avy ao amin’ny FJKM Ambohitantely ny hetsika fiderana an’Andriamanitra ho fanamarihana sy fitondrana amim-bavaka ny taom-piasany 2021, izay natao tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely, ny tolakandron’ny omaly alahady.

MINISTRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO : Manome fahafahana miteny ny fanjakana, fa tsy hatao amboletra

Tokony tsy hanao amboletra hiditra an-kianja ireo depiote Tim nikasa hanao tatitra, fa efa nisy ny naoty navoakan’ny prefen’Antananarivo ary nomena toerana malalaka eny Soamandrakizay ireo solombavambahoaka hanao tatitra ary tokony ho nanaiky izay fandaminana sy ny toromarika nomen’ny fitondram-panjakana izay, ireo depiote sy ireo mpiara-dia aminy, fa tsy hanao amboletra hiditra amin’ny toerana efa voarara.