Nialoha ny fanadinana Cepe sy Bepc ary Bakalorea dia nisy ny fotoana nifanomezan’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo atoa Raherimanantsoa Feno tamin’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, fa mba ho fanohanana sy famporisihina ireo mpianatra hianatra tsara, dia hisy ny fanampiana omeny. Dia tamin’ny alalan’ny sekoly sy ny sefo ZAP no nahafahana nitsongo ireo ankizy ho “meilheur élève” ka dia noraisina an-tanana ny fampidirana azy ireo any an-tsekoly. Nosafidiana ny andron’ny sekoly izay nanatanterahana izay fanampiana ho an’ireo ankizy 3 tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana ireo izay ary nisafidy ny ekipan’ny Zap kosa ny Ben’ny tanàna, mba ahafahana manolotra izay tohana ho an’ny mpianatra izay. Lelavola no natolotra ho azy ireo mba ahafahan’ireo ray aman-dreniny manonitra ny laniny tamin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly raha toa ka afaka Cepe sy ny Bepc, fa ny Bakalorea kosa dia hanomanany ny dosie –ny any amin’ny oniversite raha toa ka tafiditra izy. Vola 100.000 ariary ho an’ny afaka Cepe, 150.000 ariary ny afaka Bepc ary 200.000 ariary ho an’ny afaka Bakalorea. Manana zanaka hendry sy mahay isika ary mahavita nohon’ny ezaka nataon’ny ray aman-dreny tamin’ny fanohanana azy, hoy ny Ben’ny tanàna. Marihana, fa tohana avy tamin’ny Ben’ny tanàna izao fanampiana ireo mpianatra 3 izao ary fanamby napetrany izany. Ankoatra ny vola dia nomena marim-pahatsiarovana ihany koa ireto mpianatra ireto. Ny ankizy mandroso sy mahay no tohanana, hoy ny Ben’ny tanàna ary mamporisika ho an’ireo ankizy hafa izy mba ho tafita. Izay aloha no vita, hoy ny Ben’ny tanàna, fa mbola ho avy ny manaraka. Fanamby voalohany napetrany izao notanterahiny izao, hoy hatrany ny fanazavany.


