Indroa nahita ny maizina ireo mpanohitra, indroa asabotsy izay. Samy tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 May avokoa izy ireo, ny asabotsy 20 Febroary sy ny asabotsy 27 Febroary lasa teo. Be vava fotsiny, nefa tsy sahy mitarika vahoaka eny an-kianja, fa ny vahoaka foana no tadiavin’izy ireo hatao sorona mialoha ny mpitandro ny filaminana. Izany tokoa no tonga amin’ilay fiteny hoe “ny vava no tsy hatao be, fa ny mamerina azy no sarotra”. Raha ho an’ny solombavambahoaka Tim, izay nilaza fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny Ambohijatovo na ny kianjan’ny 13 May, ny 20 Febroary teo dia tsy tafiditra an-kianja mihitsy izy ireo ary tsy nahazo alalana tamin’ny prefektiora, fa nitady hanao amboletra. Nanelingelina ny fifamoivoizana sy fitadiavan’ny mpivarotra aza no nataon’izy ireo ary tsy nisy nipoitra ireo depiote na iray aza niaraka tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Miara-Manonja. Nisy ny fisamborana, izay nahatratra 11 tamin’io andro io ary naiditra am-ponja vonjy maika avokoa izy ireo.
Nandamoaka ny an’ny RMDM
Raha ho an’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM kosa indray, dia nangataka alalàna tany amin’ny prefektiora indray izy ireo, fa hihaona amin’ny vahoaka ny asabotsy 27 Febroary lasa teo, saingy, nolavin’ny prefe ny fangatahana nataon’izy ireo. Tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’ny demokrasia koa anefa ireo avy amin’ny RMDM tamin’io. Vao maraina mantsy dia voatemitra mpitandro ny filaminana ny teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 May, eny fa hatreny Soarano. Tsy afaka niditra ny kianja izy ireo ary tsy azo nivezivezena ny teny an-toerana tamin’io asabotsy io. Nandamoaka ihany koa ny hetsika saika nataon’ireo mpanohitra. Tsy nisy nipoitra teny Ambohijatovo na ny mpitarika na ny lohandohan’ity vovonana RMDM ity. Efa hentitra tamin’ny fandraisana fepetra rahateo ny avy eo anivon’ny Emmo/Nat amin’ny mety hisian’ny fihoaram-pefy hataon’ireo mpanohitra ireo.


