“Governemanta manana fahefana feno” no takian’ny antoko MFM antsangan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina, raha ny fanazavan’ny filohan’ny antoko, atoa Olivier Rakotovazaha. Araka ny fanazavany, dia Governemanta efa hita taratra tamin’ny andron’ny atoa Guy Willy Razanamasy sy tamin’ny Praiministra Ntsay Christian izany Governemanta manana ny fahefana feno izany. Sady mitaky fanovana sy fiovana ny fitsangan’io Governemanta io, hoy izy. Ny Praiministra no manana fahefana feno amin’izany, fa tsy governemantan’ny fiaraha-mitantana akory no atsangana, hoy hatrany ny antoko nanamafy. Ny filaminan’ny tany sy ny firenena no ilaina fa tsy korontana intsony, hoy ny antoko. Tokony hifampidinika amin’ny ankolafin-kery politika na tsy mitovy hevitra aza ny Filohampirenena. Olana ara-drafitra, ara-politika no misy eto eto, koa ilaina ny fananganana io Governemantan’ny manana fahefana feno io.


