Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny fiangonana katolika, ka nambaran’ity fiangonana ity, fa “tsy azo hanaovana hetsika politika” ny kianjan’i Soamandrakizay. Voalazan’ity fanambarana ity, fa efa natokana handraisana fivavahana ny toerana, ka tsy azo hampidirana hetsika hafa intsony, ankoatra ny fivavahana. Nambaran’ny Mompera Louidovic, fa tamin’ny fanamboarana ity kianja ity dia efa natokan’ny fianakaviamben’ny fiangonana katolika, fa ity kianja ity dia handraisana an’ny Papa Fransoa. Ankoatra ny fandraisana an’ny Papa dia vavaka no tokony hatao eny, satria efa natokana hivavahana sy fihaonana amin’Andriamanitra ity toerana ity, ka tsy tokony hanaovana hetsika politika, hoy ny fanazavany. Na dia efa nilaza aza ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny prefektiora, fa eny Soamandrakizay no tokony hanaovan’ireo depiote Tim tatitra amin’ny vahoaka, ny asabotsy 20 Febroary lasa teo, dia tsy nandeha teny ireo solombavambahoaka sy ireo mpiara-dia taminy, fa ny ho eny amin’ny 13 May ihany ary nikasa hiditra hanao amboletra izy ireo, saingy, voasakan’ny mpitandro filaminana. Amin’izao indray anefa dia mangataka ny ho eny Soamandrakizay indray ireo depiote Tim ny asabotsy 6 Martsa ho avy izao ary hangatahan’izy ireo alalana amin’ny prefe indray izany, na dia olo-tsotra aza no tompon’ny toerana. Handrasana indray izay ho mety ho tohin’ny raharaha, satria ny avy eo anivon’ny fiangonana katolika dia tsy manaiky ny hanaovana hetsika politika eny Soamandrakizay. Ny fanapahan-kevitry ny prefektiora sisa no andrasana indray mikasika izany.


