Nidina teny Antanimena, Soarano, Analakely, Tsaralalana ary Ambohijatovo iny no sady nankahery ireo mpitandro ny filaminana nanao ny sakana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na ny SEG, ny jeneraly Ravalomanana Richard.
Catégorie : Samihafa
HETSIKY NY MPANOHITRA TENY ANALAKELY : Sorena ireo mpivarotra sy mpitady vola
Hasosorana sy fahatezerana no hita soritra tamin’ny endrik’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Pavillon Analakely, ny asabotsy lasa teo nandritry ny hetsika nataon’ireo mpanohitra.
FJKM AMBOHITANTELY : Mikolo ny zavatra nataon’Andriamanitra
« Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina… ». Izany tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny I Tim 4 : 4 izany no nanompanan’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely ny fambolen-kazo notanterahiny ny 06 Febroary lasa teo, teny Ampangabe.
LALANA EPP AMBOHIMANGAKELY : Ahiana hitera-doza noho ny fahasimbany
Tsy hay intsony na tanimbary na dobo-trondro ny azo hisokajiana ny ampahan-dalana mandalo eo ambonin’ny EPP Ambohimangakely mihazo an’Ambohimitsara mivoaka any amin’ny By-pass Alasora, ao anatin’izao vanim-potoan’ny orana izao.
TSENAN’I BEHORIRIKA : Hahazaka mpivarotra 800
Ao anatin’ny ezaka hataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny hapanara-dalana ireo mpivarotra amoro-dalana, ka izany no antony hananganany tsena lehibe eto andrenivohitra. Ny fampidirana ireo mpivarotra ao anaty tsena no tanjon’ny kaominina, mba hahatanteraka ny veliranon’Iarivo.
MAEVATANANA : Distrika 3 nahazo Emmetteur sy biraon’ny polisy sy miaramila
Nisaotra manokana ny fitondram-panjakana izay, tarihin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina ny prefen’i Maevatanana, fa namaly ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Distrika 3 no nahazo Emmetteur avy tamin’ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera, ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrafy, dia ny distrikan’i Kandreho, Tsaratanana ary Maevatanana.
FILOHAN’NY SENAT, HERIMANANA RAZAFIMAHEFA : « Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana eto amin’ny firenena »
“Tsy azo ekena intsony ny endrika fanakorontanana eto amin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, atoa Herimanana Razafimahefa.
PROFESORA BRUNO RAZAFINIMANANA, ANTOKO POLITIKA BEMIRAY : Manohana ny vinan’ny Filoha Andry Rajoelina, tsy mety intsony ny mifanenjika sy mifanaratsy
Manohana tanteraka ny vinan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina, ny Antoko politika Bemiray, izay hery afovoany na « centriste ».
MINISITRY NY FAHASALAMANA : “Ho bebe kokoa ny vola hiasa any amin’ny distrika”
Anjaran’ny avy ao amin’ny “UASM” no nitatitra ireo zava-bita nandritra ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin’ity herinandro vaovao ity, hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana nandritra ny fananganan-tsaina.
MINISITRA LANTOSOA RAKOMALALA : “Hovatsiana fitaovana ny orinasa madinika”
Nanambaran-dRtoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana Rtoa Lantosoa Rakomalala, nandritry ny fananganan-tsaina teo anivon’io Minisitera io ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny fametrahana tsy ho ela ny “Plan Emergence Madagascar” na PEM izay hananan’ny Ministera anjara andraikitra goavana ao anatiny.
